Politique

Fikirakirana ny volam-panjakana Tsy voatendry hatramin’izao ny Tale Jeneralin’ny « Trésor »


  • Alakamisy 02 Septambra 2021

Tapa-bolana teo izay no nandraisana fanapahan-kevitra tao anatin’ny Filankevitry ny minisitran nanesorana tamin’ny toerany ny Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana,

 izay tena toerana sy andraikitra stratejika be eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Ny 18 aogositra no nilatsaka io fanapahan-kevitra io, fa miato ny famoaham-bola rehetra eo anivon’ny tahirimbolam-panjakana afa-tsy ny karama ihany, mandra-pisian’ny Tale jeneraly vaovao voatendry. Ny herinandro lasa teo, nilaza ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison fa afaka andro vitsy ny fanendrena, saingy tsy mbola nisy an’izay aloha tao anatin’ny tatitry ny filankevitry ny minisitra na dia nirarakopana aza ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony tamina ministera maromaro. Ahoana marina izany ny resaka famoaham-bolam-panjakana ? Angaha moa karama irery ny vola tokony hifamezivezy ? Tena voahaja ve ilay hoe : tsy mamoaka vola sa an-taratasy fotsiny ? Inona no antony mbola tsy nisiana fanendrena Tale Jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana hatreto kanefa tena iainkinan’ny aim-pirenena? Ary mba manao ahoana ny tohin’ireo ampamoaka maro be toy ny voalaza fa nisiana fisitrahana volabe tsy toko tsy forohana teo anivon’ny tahirimbolam-panjakana kanefa ilay olona efa tsy miasa ao intsony fa efa any amin’ny orinasam-panjakana hafa sy any amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Vitavita amin’ny fifandaminana sy vono afo ao anatiny ao fotsiny ve ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT