Nifarana omaly ny fikirakirana fitanana an-tsoratra niainga avy amin` ny fitanana an-tsoratra an-tsary (PV scanné) avy amin` ny SRMV tsirairay avy.
Nanomboka ny fikirakirana ny fitanana an-tsoratra ara-taratasy raha toa ka fikirakirana fitanana an-tsoratra an-tsary no natao tao nanatin` ny heriandro izay ka nahafahana namoaka ny fironana. Mizara 4 ny dingana arahin` ny CENI mba hikirakirana ny voka-pifidianana amin’ny alalan’ny fitanana an-tsoratra tena izy mba hahatongavana amin’ny vokatra vonjimaika. Voalohany, jerena ny maha ara-dalana ireo fitanana an-tsoratra tena izy alohan’ny hikirakirana azy (amin’ny alalan’ny ny endrika ankapobeny ireo fitanana an- tsoratra, ireo sonia…). Manaraka izany, jerena ny fahamarinan’ireo antontan’isa izay voarakitra ao anatin’ireo antontan-taratasy samihafa. Avy eo, hamarinina ireo antontan’isa voarakitra ao amin’ilay fitanana an-tsoratra tena izy amin’ny alalan’ny fampitahana izany: amin’ny fitanana an-tsoratra “scanné”, amin’ny alalan’ny “saisie”, amin’ny alalan’ireo “feuilles de dépouillement” ary farany amin’ny alalan’ny fitanana an-tsoratra izay nataon’ny SRMV. Raha misy tsy fifanentanana amin’ireo isa rehetra izay voarakitra dia havoaka ireo vato manan-kery ary averina isaina. Rehefa azo antoko izay rehetra izay dia afaka mamoaka ny vokatra vonjimaika ary ireo “Commissaires Electoraux” no manao ny fanamarinana farany aorian’ireo fikirakirana maro samihafa mba ahafahan’ny CENI mamoaka ny vokatra tena izy vonjimaika. Ho vita ny alakamisy 13 jona ny fikirakiran’ny CENI ireo fitanana an-tsoratra ireo. Ny zoma 14 jona kosa no haravona sy hatao ny fandaminana rehetra. Ny 15 jona, ny CENI no mamoaka amin’ny fomba ofisialy ireo vokatra vonjimaika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.