Politique

Fikasana hamono ny Filoha Rajoelina Malagasy maromaro sy commando Frantsay 2 voasambotra


  • Alakamisy 22 Jolay 2021

Namoaka fanambarana ofisialy ny Mpampanoa lalàna ambony Rtoa Berthine Razafiarivony omaly alarobia 21 jolay, fa olona maromaro teratany Malagasy sy vahiny no nosamborina ny andron’ny talata 20 jolay teo.

 Voasaringotra amin’ny raharaha fikatsahana hamono olona ambony eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. Fisamborana tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana noho ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka noho izany no voalaza fa natao. “Araka ny porofo eo am-pelantanana dia nanomana drafitra goavana saika hamonoana tompon’andraikitra ambony, ka voalohany amin’izany ny Filohan’ny Repoblika”, hoy io fanambarana. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka isika izao, ka izay aloha no azo ambara, hoy hatrany ny mpampanoa lalàna ambony Rtoa Berthine Razafiarivony. Navoakan’ny fampahalalam-baovao ofisialy Dépêche Informative Taratra, fa ny roa tamin’ireo voasambotra dia teratany Frantsay, ka ny iray efa nanaraka fiofanana commando, ary ny iray mpampianatra (instructeur) an’ireo commando mpilatsaka an’elon’aina, araka ny loharanom-baovao akaiky ny dosie. Niely ihany koa ny vaovao tsy ofisialy tetsy ankilany fa nosamborina ny miaramila Frantsay antsoina hoe Philippe François sy i Paul Rafanoharana izay anarana efa nalaza teo aloha teo fa mety hatao Praiminisitra ka asa na ireo ilay hoe Frantsay roa voasambotra na zavatra samihafa mihitsy ? Fifandrifian-javatra ve ilay hoe Frantsay ? Hanao ahoana ny fifandraisana ara-diplaomatika ? Tapa-bolana teo ho eo izay no nibahan-toerana tamin’ny fampahalalam-baovao ny filazana fa nisy fikasana hamono ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Ravalomanana Richard, ka olona 6 no naiditra any Tsiafahy, araka ny fampahafantarana tamin’ny 6 jolay. Nambara fa efa niomana tamin’ny fitaovam-piadiana ary efa nisy basy voafahana. Nisy olona 4 hafa nosamborina ihany koa nambara fa nikasa hanakorontana firenena, hanao fakana an-keriny sy kolikoly ary fikambanan-jiolahy nandritra ny fetim-pirenena. Nambaran’ny mpitandro filaminana, fa arahi-maso akaiky hatramin’ny kaontin’izy ireo any amin’ny banky eo anatrehan’ny mety ho famatsiam-bola hanakorontana.

ARY AHOANA IREO TENY FARAVOHITRA ?
Mipetraka eo amin’ny toeran’ny lasibatra na “victime” izany ny Mpitondra Malagasy amin’ity raharaha ity. Ny mpanohitra no mety ho voatondro ho ao ambadika eo anatrehan’ity toe-javatra ity. Teo aloha, dia ny tranon’Atoa Marc Ravalomanana no nisy teratany vahiny nihaodihaody andro vitsy talohan’ny fanamarihana ny fetim-pirenena, izay nahiana ho mersenera. Nisy aza ny loharanom-baovao nilaza fa niara-nivory tao amina hotely iray niaraka tamina tompon’andraikitra ambony ao anatin’ny governemanta sy mpandraharaha matanjaka iray eto amin’ny firenena izy ireo. Tsy nisy fanazavana ofisialy moa ny momba ireo teratany vahiny nampiahiahy ireo. Mifamahofaho tanteraka ny toe-draharaha izay mety tafiditry ny politika avo lenta, ka dia samy miandry izay ho tohiny izany ny rehetra.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT