Politique

Fikasana hamono ny filoha Malagasy Mametra-panontaniana ny mpahaipolitika ao Frantsa


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

no nitranga teto Madagasikara mikasika ny raharaha fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena malagasy? Ho hita eo, hoy ny fandinihana,

raha hafonja ireo porofo na dosie namboarina indray izy ity. Ny Saint-Cyriens, izay sokajiana hoe « officier d'élite », akory tsy adala ka hamela marika hamantana ny fandalovan’izany. Inona moa no hampidiran’izy ireo ireo vadiny anatina aferana « atteinte à la sûreté de l'état? Inona no tombony hamonoana mpitondra malagasy anatina fitondrana izay tsy hita mazava ho mby ho aiza ? Nanaotao foana io fitondrana io ary nanasonia ny fahafatesany raha nikitikitika manam-boninahitra frantsay miisa 2. Maro ireo karazana famahana olana tsy ankiteniteny nefa mahomby. Izao tranga izao kosa dia famonoan-tena ara-diplaomatika, politika, ara-pitsarana, ara-bola, ara-pamatsiam-bola, ara-toekarena, ara-tafika sy ny maro hafa ho an’io fitondrana mijoro io. Tsy mbola nisy fanjakana teto ambonin’ny tany ka nanafika mivantana sy ampahibemaso manam-boninahitra frantsay izany. Fiantsiana ataon’ny fitondrana malagasy amin’ny firenena frantsay izao ary tafiditra anatin’izany ny tafika frantsay. Maro ireo karazam-balin-kafatra azon’ny frantsay atao mikasika ity raharaha ity. Isany ny mety ho fandroahana ireo diplaomaty malagasy miasa sy monina any Frantsa. Eo koa ny fanilihana ireo zanaky ny manam-pahefana malagasy any amin’ireo tany frantsay na ilay voasokajy anatin’ny atao hoe « territoire français ». Isany koa ny fandrarana ireo filana fitsaboana ho an’ny manam-pahefana malagasy mila izany any Frantsa. Isany ny fanitsohana ny kaontim-bankin’ireo manam-pahefana malagasy maneran-tany. Afaka mametraka fitoriana ofisialy frantsay manoloana ny fitsarana frantsay sy iraisampirenena koa ny fanjakana frantsay. Mety hiidy ny loharanom-bola malagasy isan-karazany ao Frantsa sy Eoropa. Fampandrenesana ireo tafika frantsay misahana ny faritra atsimo sy ranomasimbe indianina misy an’i Madagasikara na FAZSOI (Forces Armées de la Zone Sud de l'Océan Indien). Ny dikan’izay dia hanana trosa amin’ny tafika frantsay mandritry ny fahavelomany ireo voalaza rehetra ireo. Eo amin’ny fifandraisana amin’ny fiangonana katolika kosa dia tsara ho tsaroina fa Paul Rafanoharana dia mpanolontsain’ny Mgr Odon Razananolona, evekan'Antananarivo. Nanimba ny fifandraisan’ny hery katolika tamin’ity fitondrana ity koa araka izany ity fanampahan-kevitra ity, hoy hatrany ity mpahaipolitika ity, ary mampametra-panontaniana hoe voalanjalanja ve ilay fanapahan-kevitra ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT