Raha ny loharanom-baovao azo omaly, dia nampanatsoin’ny Mpitandro filaminana etsy amin’ny sampana heloka bevava Fiadanana ny manamboninahitra Jeneraly misotro ronono miisa roa.
Momba ny raharaha ambara fa nisiana fikasana hamono ny Filoham-pirenena io. Ny iray amin’izy ireo efa nitana ny toeran’ny Praiminisitra, efa voatonontonona tamina raharaha famonoana filoham-pirenena taoriana krizy lehibe efa nolalovan’ny firenena. Jeneraly misotro ronono iray hafa izay nanana andraikitra PDS an’ny Faritany mizaka tena iray teto Madagasikara tamin’ny andron’ny Filoha Itompokolahy Didier Ratsiraka. Nambaran’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Randrianarison Fanomezantsoa ny herinandro lasa teo, fa mbola hisy ny olona hosamborina na hampanatsoina. Ny sabotsy lasa teo, nambaran’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao Dépêche Informative Taratra, fa hita teny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava (BC Anosy) ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Madagascar Oil. Ity farany izay nambara fa niray tendro tamin’i Paul Rafanoharana, ilay zandary misotrotro ronono niasa tao amin’ny tafika Frantsay. Somary nitandrina ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly momba ny fanontaniana hoe : mitodika amin’izay ny ahiahy ? Toa te haneho anefa, fa ivelan’ny Fitondrana tamin’ny fanehoany fatokony handanjalanja ihany na eo aza ny tsy fitovian-kevitra politika. Nilaza ho manara-maso sy mametraka fitokisana amin’ny mpanao fanadihadiana sy ny Fitsarana ka aleo ireo no ampahafantatra amin’ny vahoaka Malagasy izay tokony hampahafantarina, fa tsy anjaran’ny Fitondrana ny mamoaka an’izany. Ny sary vao tsy ela kosa dia maneho, fa olona akaiky ny Filoha ny iray amin’ireo nosamborina. Na izany na tsy izany, misy ny mino ary misy ny tsy mino. Samy manana ny ambarany, saingy ny eo anivon’ny Fitondrana dia manitrikitrika fa misy ny porofo ary isan’izany ilay volabe tratra. Raha miverina kely amin’ny tantara tany aloha: iza ary izany no saika hovonoina nokasaina hampiasana ilay vola roa baoritra tratra tamina depiote vehivavy iray ny volana jona 2015 taoriana fivoriana politika? Nisy ilay volabe tratra tamin’ity ambara fa fikasana hamono ny Filoha Rajoelina ity ka tena tsy fantatra ve ny loharano nipoirany ary havoaka ofisialy mba ho fantatry ny vahoaka Malagasy satria Filohany no ambara fa saika hofofoana ny ainy? Rahoviana no handeha fitsarana ity raharaha ity ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.