Politique

Fikarakarana ny fifidianana Nilaza ho efa nanokana vola ny Fanjakana


  • Alarobia 24 Aogositra 2022

Mbola baraingo ny fiatrehana ny fifidianana raha tarafina amin’ny fomba firesaky ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.

Ahiana tsy hamatsy vola ny fifidianana ny mpamatsy vola noho ny tsy fanatanterahan’ny governemanta ny fanavaozana nangatahan’ny mpanara-maso iraisam-pirenena taorian’ny fifidianana 2018, raha tarafina amin’ny fanehoan-kevitry ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Giovanni Di Girolamo vao tsy ela. Misy ny fampahalalam-baovao mametra-panontaniana ankehitriny hoe: vola avy aiza marina no hikarakarana ny fifidianana? Ahiana ho tsy manana hoenti-manana ara-bola feno hoenti-manatanteraka ny fifidianana ny Fanjakana. Tara volana maro ihany koa ny famoaham-bolan’ny FEC (Fonds Elargi de Crédit) noho ny tsy fisian’ny fanavaozana samihafa nangatahana tamin’ny governemanta, izay voalaza fa tsy azo hihodivirana. Etsy ankilany, nilaza ny Minisitry ny Atitany Atoa Tokely Justin omaly, fa “mandeha tsara ny fanomanana, ny CENI no tena tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarakarana ny fifidianana, fa ny Minisitera sy ny sampan-draharaha samihafa dia manao tantsoroka. Amin’izao fotoana izao dia efa nivoaka ny didim-panjakana 2022-667 izay mametraka ny hoe: tokony hanao “refonte” ny lisitry ny mpifidy isika, efa miomana amin’izany ny CENI amin’izao fotoana izao, ary efa nisy ny vola izay nolaniana tao amin’ny LFR izay natokana hanaovana izany. Amin’izao, efa mametraka ny rafitra rehetra ny CENI satria misy an’ireny kaomisionin’ny fifidianana ireny, na eo anivon’ny faritany, faritra, distrika, kaominina, hatreny amin’ny fokontany izay tsy maintsy hapetraka aloha, tena miroso isika amin’ny fanisana ankapobeny ny mpifidy”, hoy izy. Raha ny tetiandro hatreto, manomboka ny 01 oktobra ny fanisana faobe. Nambarany fa efa nisy vola natokan’ny Fanjakana amin’ny fifidianana fa izany tsy mahasakana antsika hiara-hiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka hifanampy amintsika, efa manao ny fifampiraharahana na “négociations” rehetra ny Fanjakana. Raha ny fifidianana hita sy nisy teto aloha, toa nianteherana hatrany tamin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombon’antoka. Manama-maso ihany koa ireo, ka izay no nisian’ilay toromarika na “récommandations” nataon’ny Vondrona Eoropeanina taorian’ny fanaraha-maso nataony tamin’ny fifidianana 2018, saingy notsipihin’ny masoivohony Giovanni Di Girolamo tamin’ny herinandro ambony. Ireo izay mivoy sy mitaky fifidianana madio, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara,… Ahoana marina ny ho fizotry ny toe-draharaha ara-politika?


Mikasika ny fifidianana sefom-pokontany voalaza fa tokony hatao amin’ity taona ity, dia naneho ny minisitry ny atitany fa tsy maintsy misy fandaminana hapetraka. Tsy namaly ny mpanao gazety ny resaka fanoloana sefom-pokontany kosa ny minisitra ary naneho fa amin’ny manaraka no hiresahany izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT