Nahavory ny ankamaroan’ny hery rehetra eto amin’ny firenena ny fikaonandohan’ny Faritra 22 tontosaina mandritra ny roa andro eto an-drenivohitra.
Voasolo tena avokoa ny antoko sy ankolafy efa manana traikefa ara-politika na avy amin’ny mpitondra izany na avy amin’ny mpanohitra. Ny TGV ihany no tsy tazana tetsy Andrefan’Ambohijanahary anatanterahana ny fihaonana satria na ny Arema, ny Matsilo dia samy niatrika io fikaonandoha io. Tsy nanana solontena koa ny ankolafy Ratsiraka avy amin’ny mpanohitra. Na tsy ofisialy aza dia nandray anjara koa ny ankolafy Ravalomanana tamin’ny alalan’ny Rev. Satrobory sy Ralaiseheno sady misolo tena ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna. Tao avokoa ny sendikan’ny mpiasam-panjakana, ny gadra politika, ny federalista izay mpikarakara ary ny ankolafy Zafy izay maro an’isa.
Nanaitra ny maro koa ny fahatongavan’i Alain Ramaroson sy Zazah Ramandimbiarison, Tale kabinetra sivily an’ny filohan’ny FAT teo aloha. Nanamarika ity farany raha nandray fitenenana fa “efa tena mandifotra ny ranom-bary ankehitriny noho ny fitantanana tsy mahomby hatramin’izay. Mifanalavitra ny vahoaka sy ny mpitondra”. Ny anton’ireo rehetra ireo, hoy izy dia ny “rafitra tsy mahomby”. Mitovy hevitra aminy koa ny minisitry ny asam-panjakana Tabera Andriamanantsoa izay nilaza fa “ny rafitra mihitsy no mila ovana”. Ity farany moa izay mpikambana federalista ka maniry ny hampiharana izany eto. Niantso ny olom-pirenena koa izy mba tsy hatahotra fa sahy hijoro eo anetrahan’izao fikatsoan’ny raharaham-pirenena izao. I Lahady Samuel, governoran’i Toamasina teo aloha koa dia mihevitra fa “ny rafitra federaly ihany no hisian’ny fanapariaham-pahefana tena izy”. I Andrianirina Jean Claude, mpitondra tenin’ny antoko Leader Fanilo kosa dia mbola nanampy fa tokony hojerena koa ny fandaminana ny fahefana ankoatra io fanovan-drafitra io.
Ankoatra izay fiombonana amin’ny federalisma izay dia foto-kevitra be mpanohana koa ny tsy fahombiazan’ny FAT sy ny tondrozotra. Anisan’ireny ny profesora Rajaonarivelo Paul sy Gilbert Raharizatovo. Ilay voalohany moa dia nilaza fa krizy vaovao no hateraky ny fifidianana tontosaina amin’izao zava-misy izao. Mitaky ny fandravana ny FAT mihitsy ny tenany. Kianin’i Gilbert Raharizatovo izay minisitry ny FAT teo aloha ny fanaovan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny raharaham-pirenena ka anaovan’izy ireo fifanarahana miafina amin’ny tombontsoany manokana. Hevi-dehibe fahatelo nivoitra koa ny fiantsoan’ny ankamaroan’ny mpandahateny ny FFKM handray andraikitra amin’izay eo anatrehan’izao zava-misy izao. Hatolotra ireto Raimandreny mpitondra fivavahana ireto sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny fehin-kevitra hivoaka anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.