Nisy ireo antokon’olona nimenomenona tamin’ny fanatrehana ny hetsika Fikaonandohan’ny Faritra 22 tontosaina etsy Andrefan’Ambohijanahary nanomboka omaly alakamisy.
Nisy mihitsy ny nahateny mafy tamin’izy ireo fa diso fanantenana satria lasa resaka fanesorana ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny toerana no votoatin’ny fanombohan’ny dinika raha tarafina amin’ny teny ataon’ny mpizaika sasantsasany sy ny sorabaventy sasasany naranty teny an-toerana no asian-teny. Ho an’i James Ratsima, Sekretera jeneralin’ny antoko Madagasikara Firaisankina manokana dia nanambara ny tenany raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana fa : «ny nahatongavako aloha, rehefa hasaina dia manaja olona dia tonga. Ary nieritreritra aho hoe hitondra zavatra hafahafa kokoa ilay fivoriana nefa ny ankamaroan’ilay kabary rehetra nifanesisesy teo dia zavatra efa hita hatramin’izay.
Ny ahy ny zavatra tadiaviko dia ny hampiseho ny vahoaka Malagasy ny zava-miseho eto an-tanindrazana ara-ekonomika fa i Madagasikara dia an’ny Malagasy. Ka ireo izay mitrandraka ny harenantsika eto dia tsara ampahafantarina ny Malagasy ireo hoe : iza avy ireo ary inona no tena tanjony eto ? Fa ato amin’ity fivoriana eto Andrefan’Ambohijanahary ity dia tora-po no betsaka. Raha ny fihainoko azy teo dia ny kabarin’i Tabera Randriamanantsoa dia efa ampy. Efa nahafintina ny tanjona tian-dry zareo kendrena amin’ity hetsika ity iny fa ny sisa nanaraka rehetra dia fitiavana te hiteny avokoa. Ny tena nahafinaritra tamin’izany dia ny firesahana zavatra miseho amin’io fanondranana omby io, ny resaka QMM, ny Ambatovy … Ireo rehetra ireo izay tena mandravarava ny firenentsika nefa ao ny lakilen’ny zavatra rehetra”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.