Politique

Fikaonan-doha notarihin’ny CENI Vitsy no tonga, tsy ny rehetra no nasaina


  • Zoma 10 Jona 2022

Na ireo solontenana antoko politika sy fiarahamonim-pirenena ary mpanao politika tonga nanatrika ny atrikasa fikaonan-doha notarihin’ny CENI teny amin’ny Novotel Ivandry omaly aza niloa-bava hoe “Vitsy isika!”.

Vitsy no tonga teny an-toerana omaly ary hita ho antoky ny fahabangan’ireo toerana maro ny tsy nanotronan’ireo antoko sy mpanao politika maro avy amin’ny vovonana sy vondrona politika mpanohitra Panorama sy ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM. “Atelier de concertation” na atrikasa fikaonan-doha moa no anarana nampisalorana ity dinika nifanaovan’ireo mpisehatra politika naharay fanasana tonga teny an-toerana ity. Nisy tamin’ireo vondrona, vovonana, fikambanana, antoko politika moa no nilaza fa tsy naharay fanasana tamin’ity dinika natao omaly ity raha ny fanadihadiana natao.
J. Mirija
Legende: Teny Ivandry omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT