Voafidy ho Filohan’ny Fikambanan’ny ben’ny tanàna amin’ireo tanàn-dehibe eto
Madagasikara (AMGVM) ho an’ny taona 2021-2022 ny ben’ny tanànan’Antsiranana Atoa Jean Luc Djavojozara, izay tsiahivina fa ben’ny tanàna lany tamin’ny anaran’ny tsy miankina. Azony ny 100% n’ny vaton’ireo mpifidy 15 . Niverina amin’ny ben’ny tanànan’Antsirabe kosa ny toeran’ny Filoha lefitra, ny ben’ny tanànan’i Fianarantsoa no voafidy ho Sekretera Jeneraly, lasan’Ambilobe ny ny toeran’ny Mpitam-bola, ary mpitam-bola lefitra kosa ny ben’ny tanànan’i Taolagnaro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.