Mbola voatazona eny amin’ny borigadin’ny zandarimaria eny Ankadilalana noho ny resaka fandratrana mpomba ny kandida IRD teny Ambohipotsy tamin’ny alatsinainy 27 mey androm-pifidianana solombavambahoaka teo ny filohan’ny fikambanana Za’Gasy, Ratiharison Jean Navandahy.
Amin’ny naha andro tsy fiasana ny omaly alakamisy 30 mey 2019, dia namaky fanambarana nanoloana ny mpanao gazety teny amin’ny foibeny eny Ambohipo ny mpikambana notarihan’ny mpandrindra ao aminy Raharinaivo Rija. Voalohany, miarahaba ny Gasy rehetra nahatontosa iny fifidianana solombavambahoaka iny Atoa Jean Navandahy na dia teo aza ny tsy fahavitrihana nifidy noho ny hosoka sy halatra efa fantatra. Nisaotra ihany koa an’ireo nanohana azy izy. Nisy ny hosoka sy tsikombakomba ratsy tamin’iny fifidianana iny nefa tsy hametraka fotoriana na eny amin’ny Ceni na eny amin’ny Hcc isika na manana porofo mazava aza mba hitsinjovana ny filaminana sy amin’ny anaran’ny fitiavan-tanindrazana ananantsika. Niarahaba sahady an’ireo izay ho lany i Jean Navandahy. Aoka mba hijery amin’izay ny maharary ny vahoaka sy ireo tena sahirana izy ireo. Farany, niangavy ity filohan’ny Za’Gasy ity ny hanajanonana amin’izay ny fanelezana vaovao tsy marina satria tsy mendrika ny Gasy izany.
Nisy koa fijoroana vavolombelona nataona vehivavy 3 amin’ny tsy hidiran’ny filohan’ny Za’Gasy tamin’ny raharaha teny Ambohipotsy io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.