Politique

Fikambanana Za.Gasy “Tsy tokony hisy fahavalo afatsy ny fahantrana”


  • Alatsinainy 28 Martsa 2022

Nampahafantatra misimisy kokoa ny momba azy sy ny tanjony tetsy amin’ny Sava Hotel 67 ha ny Fikambanana “Za.Gasy” na Fikambanana Zanak’i Gasikara, izay efa niorina tany Antsiranana ny 20 desambra 2010.

 Tanjona ny hanandratana sy hampiraisana hina ny Malagasy, hanala ny fifakavahana ara-politika, ara-poko, ary ara-pivavahana,… hoy Rakotomalala Hariniaina Filohan’ny Za.Gasy eto Antananarivo. Teny fanevan’ny fikambanana ny hoe: “Firaisankiana, Fitiavana, Tanindrazana”. « Hampiray ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy hiala amin’ny fifanakavahavana. Tsy tokony hisy ho favahalon’ny Malagasy afa-tsy ny fahantrana, ka tokony hifanampy ny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy », hoy Atoa Abdou Naguib Filoha Nasionalin’ny Za.Gasy. Nambarany fa vonona hiara-hiasa amin’ny hery rehetra eto amin’ny firenena, izay mitovy fijery aminy amin’ny hoe: ny fahavalo dia ny fahantrana izy ireo. Hanao kongresy nasionaly eto Antananarivo ny faran’ny volana mey izao, handraisan’ny mpikambana manerana an’i Madagasikara, ka isan’ny hasongadina ny adihevitra hialana amin’ny fahantrana. Tokony hovoizina ny fampifandraisana sy ny fivoizana ny Maha-Malagasy satria na ny fombantsika aza efa tsy mipetraka intsony, hoy hatrany Atoa Abdou Naguib. Vonona ny hiara-hiasa miainga any amin’ny fokontany hatrany amin’ny Filoham-pirenena ny Za.asy. Ity an-dry zareo ity dia “Za.Gasy”, ary rehefa noresahina rehefa namorona ny azy Atoa Ratiharison Jean Navadahy dia notohizan’ity farany hoe: “Za Gasy sahy mandroso” ny azy, fa ny anay irery ihany no tompon’io anarana io, hoy Filohan’ny Za.Gasy momba ny fitoviana anarana. Rehefa nanontaniana kosa moa ity Za.Gasy ity hoe: manao politika ve raha antsoin’ny kandida amin’ny fifidianana, dia nilaza fa vonona hiara-hiasa sy hifanampy, raha mitovy fijery aminy.
Toky R
Légende : Nandritra ny tafa nataon’ny Za.Gasy ny faran’ny herinandro teo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT