Politique

Fikambanana « Vondron’olon-tsotra » Avoahy ny voka-pifidianana tena izy


  • Zoma 31 Mey 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly Ramatoa Sarah Zoe, filohan’ny fikambanana Vondron’Olon-Tsotra (VOT) manoloana ny havitsian’ny mpifidy tamin’ny alatsinainy 27 mey lasa teo.

 

 

 

Nambarany fa vokatry ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny mpanao politika eto amintsika no antony nahatonga ireny fihenan’ny salanisan’ny mpifidy tonga taona ireny. Ankoatra izay, tsy mahazo antoka intsony ny vahoaka Malagasy fa mahaleotena isika satria ny baikon’ny vahiny hatrany no tsy maintsy tanterahin’ny mpitondra. Mikasika ny voka-pifidianana kosa indray dia miantso ny hamoahan’ny CENI sy ny HCC ny voka-pifidianana tena marina ity filohan’ny VOT ity. Mahavariana mantsy fa toa mpaminany ny filoham-pirenena ka sahy milaza any ampitan-dranomasina fa nahazo solombavambahoaka betsaka izy nefa tsy mivoaka akory ny vokatra ofisialy. Miantso ny amin’ny tsy tokony hanodinkodinana ny safidim-bahoaka ny filohan’ny VOT hisehoan’ny marina eto amin’ny tany sy ny firenena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT