Politique

Fikambanana TANDEM Praiministra sivily no ilaina


  • Zoma 03 Desambra 2010

Ho an’ny TANDEM na Mandan’ny Tanora ho an’ny Demokrasia dia tokony hotanterahana avokoa izay rehetra nifanekena tamin’ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato.

Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, Atoa Jean Clarel Andriantsitely, fa efa miroso tsimoramora any amin’ny Repoblika faha-4 isika amin’izao fotoana, taorian’ny naneken’ny vahoaka maro an’isa nifidy ny lalàmpanorenana. Efa tafajoro araka ny fanazavany ny Kongresy sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, ka tokony hotohizana ny fananganana ireo rafitra maro samihafa tahaka ny Komitim-pirenena ho amin’ny fampihavaana sy ny Governemantan’ny firaisam-pirenena. Mikasika ity farany ity dia mazava ny tenin’ny filohan’ny TANDEM fa mety kokoa raha sivily no praiministra, ary olona avy any amin’ny faritany, mba hampifandanja ny fitsinjaram-paritra eo amin’ny fitantanana ny andrim-panjakana.

Manaraka izany dia rariny loatra raha teknisianina afaka mikaroka vahaolana amin’ny famahana ny krizy io praiministry ny marimaritra iraisana io no sady tsy avy ao amin’ny ankolafy Rajoelina, ary tena olom-baovao madio tanana fa tao anatin’ny fitondrana FAT mihitsy. Raha izany rehetra izany no tanteraka dia tsy ho sarotra mihitsy ny fahazoantsika ny fankatoavana iraisam-pirenena araka ny nambaran’Atoa Jean Clarel Andriantsitely. Mety hijanonana ho nofinofy ihany anefa izany fanirian’ny fikambanana TANDEM izany satria, araka ny feo re dia tsy mieritreritra ny hanova praiministra mihitsy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, izany hoe mijanona eny Mahazoarivo ny jeneraly Camille Vital fa ireo ministra kosa no tsy maintsy hisy hosoloina.

Tsy ity fikambanana ity ihany moa no mitaky ny hanoloana an’i Camille Vital fa antoko sy vondrona politika maro samihafa izay mahatsapa fa manaratsy endrika ny fitondrana ihany ny fahitana manamboninahitra jeneraly mbola am-perinasa eo amin’ny toeran’ny praiministra, ny mpitondra fanjakana rahateo mamerina matetika fa milamina ny tany, indrindra fa taorian’ny nahalanian’ny ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka teo, ka mahagaga ihany raha toa ka mbola miaramila no apetraka eny Mahazoarivo. Ankoatr’izay dia maro no resy lahatra fa tsy tokony hampidirina amin’ny resaka politika intsony ny miaramila sy ny zandary fa mijanona amin’ny maha foloalindahy azy, ary manao ny asa mahazatra azy. Mipetraka koa anefa eto ny fanontaniana hoe hanaiky ny fanesorana azy ve (raha toa ka mitranga izany) i Camille Vital sa sanatria ho tezitra na malahaelo ka hivadika ho mpanohitra avy hatrany tahaka an’i Monja Roindefo ka vao mainka hampikorontana indray ny tontolo politika ?

 
Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT