Politique

Fikambanana Tambohobe “Aoka samy hitandrina fa mandady ny trambo”


  • Zoma 20 Mey 2022

Mampahatsiahy ny 20 taona dia ny 2002 izay fotoana nampamaivay ny raharaham-pirenena teto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana Tambohobe,

Rabenjamina Willy, ny fahatongavan’izao faha 20 taonan’ny fikambananay izao. Nisy tamin’izany, hoy izy ny tsy fandriampahalemana teto amin’ny firenentsika. Nanjaka tamin’izany ny herisetra ho an’ny ankizy. Teo no nitsangana ny Tanora mbola ho beazina na Tambohobe. Nitsiry ny hevitry ny tanora hoe atao isika hivondrona hanao fanentanana mikasika ny herisetra atao amin’ny ankizy. Amin’izao faha 20 taona aty amin’ny taona 2022 izao dia tsy foana ilay herisetra fa vao mainka aza miharo habibiana toy ny hoe fakana maso. Heritrereto hoe ny zanakao no alaina ny masony. Mahatsiravina izany ary tsy fombantsika malagasy. Ao ny hoe manapaka mahalehilahin’ankizy. Tsy didimpoitra fa avy dia herisetra. Eo ny fanolanana. Rivotra inona no iainantsika eto Madagasikara? Izay no anton’ny fanentananay ho an’ny rehetra mihitsy satria mampalahelo ilay tanora, ankizy, zanaka. Aoka samy hitandrina hanara-maso ny zaza malagasy isika fa efa mandady ny trambo. Indrindra ny resaka rongony mahery vaika. Mitsofoka any amin’ny vakimparitra izao ny resaka fanindromana tanana amin’ireny. Ny mpanao vakisova amin’ny maha mpanao gazety an-kira azy no hitanay fa afaka mandika ny tranga rehetra any anaty fiarahamonina any amin’ny alalan’ny hira. Kantontsika malagasy ny vakisova, ny hiragasy, ny vakodrazana. Tsy natao hahamenatra ny mijery an’ireny. Ny sinoa sy ny japoney tsy manary ny kantony. Ny karana tsy manary ny kantony. Manentana antsika rehetra noho izany ho tonga eny Antanikatsaka Itaosy ny alatsinainin’ny Pentekosta 6 jona maraina. Ho avy ao ry Odyai, Spesialista, Gas’ta, José Satoub, Ravelo Jean Badista, Henemiah avy any Fianarantsoa izay hiangaly Horija betsileo sy ny maro hafa. Samy manana fomba fanaovany Sova ny isam-paritra eto Madagasikara ka ny dikan’izay dia antsika irery io. Tsy maintsy miverina an-doharano isika raha te handroso, hoy hatrany ny Tambohobe.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT