Politique

Fikambanana Reny Mijoro Tsy iadian-kevitra ny hitantanan’ny Pr Zafy ny CNR !


  • Alarobia 19 Janoary 2011

Miteraka fanehoan-kevitra maro ny fandavan’ireo vondron’antoko manohana an’i Andry Rajoelina ny fitantanan’ny profesora Zafy ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena na CNR.

Ho an’ny Fikambanana Reny Mijoro dia tsy ekena ny fanolorana io andraikitra goavana io olon-kafa ankoatra ity filoha teo aloha ity. Raha ny fanazavan’ny Reny Mijoro dia efa hatramin’ny taona 2002 ny Profesora no nitety an’i Madagasikara mba ahafahana mampihavana ny Malagasy nozarazarain’ny hevitra tsy mitovy.

Mahafeno ny fepetra amin’ny maha olon-kendry azy koa ny profesora satria sady tsy mba nivadika tamin’ny teny nataony sy ny soniany izy no mahafantatra tsara ihany koa ny tantaram-pirenena. Nodiaviny ny vanim-potoana fahazanatany sy ireo repoblika rehetra. Efa olompirenena feno taona tokoa i Zafy Albert tamin’ny tolom-panavotana nataon’ireo maherifo tamin’ny 1947. Hevitra anohanan’ny Reny Mijoro azy koa ny fijoroany amin’ny marina hatrany. Izy irery rahateo no mpitondra tsy nandatsa-dra teto amin’ny firenena. Ho an’ity fikambanana ity dia ny fananganana ny Komitin’ny Fampihavanam-pirenena no fototry ny famahana ny krizy politika sy sosialy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT