Nihaona tetsy amin’ny Hotely Le Pavé etsy Antaninarenina omaly 18 martsa ireo mpitarika sy mpikambana ao anatin’ny Fikambanana Olona Hasin’ny Tany na ny OHT tarihin-dry Dr Emile Ratefinanahary sy Dr Hery Raharisaina.
Fihaonana nifantoka tamina lafin-javatra telo, dia ny fifampiarahabana noho ny taona fahatrarana ny tana vaovao, ny faha-6 taona nijoroan’ny OHT izay nomarihina tamin’ny alalan’ny fanapahana mofo mamy; ary fahatelo ny fitondrana ny fomba fijery manoloana ny ady iraisan’ny firenentsika amin’izao tontolo izao dia ny Coronavirus. Mipetraka amina foto-kevitra lehibe ny OHT, dia ny hoe ny tombotsoa iombonana sy ny tombotsoan’ny firenena, fa eo ihany koa ny fanabeazana olom-pirenena vanona. Marina fa maro ny olana samihafa na ara-tsosialy na ara-toekarena, ara-politika. Isan’ireny ny raharaha karapanondrom-pirenena miverin-droa, ny tsy fandriampahalemana, ny raharaha Ambohitrimanjaka,… Maro ny olana eto amin’ny tany sy ny firenena. Noho ny tombotsoam-pirenena sy ny ain’ny Malagasy anefa, dia tokony hampandeferina aloha ny ambo-po, ary izahay dia mankasitraka ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena hisian’ny fiaraha-mientana eto anatrehan’ny Coronavirus, hoy i Emile Ratefinanahary. Ampirimo ilay hambom-po, tombotsoa manokana, fomba amam-panaonao manokana fa andao hiara-hiady amin’io fahafavalo iombonana io isika. Nanapa-kevitra ny OHT, fa omaly no fotoana farany ho azy ireo nanaovana fivoriana mifanatri-maso sy mifankahita vantana noho ny zava-misy, ka ny teknolojia manomboka eto no hifampitana vaovao, mandra-pisian’ny toromarika vaovao. Manentana ny fikambanana samihafa, ny fitondram-panjakana, ny olom-pirenena tsy ankanavaka mba tena ho mailo fa tsy rehefa hoe io fa misy marary vao mikoropaka, na efa voa mbola mankany amin’ny toerana fanatanjahantena tahaka ny nataon’ny Italianina sasany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.