Politique

Fikambanana FIMA “Tsy azo atao intsony ny mangina!”


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Nisy ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana notontosain’ireo herivelona maromaro tapa-kevitra ny hanohitra ny fiaraha-mitantana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara izay natao tetsy amin’ny biraon’ny AKFM etsy Andravoahangy.

 

 Anisan’ny tazana teny ny antoko politika maro toy ny Natiora sy Otrikafo. Teo koa ireo fikambanana mivoy izany toy ny FIMA sy ny Nosy Malagasy. Araka ny fanazavan’ny filoha nasionalin’ny fikambanana Madagasikara afaka na FIMA, Jhonny Paul Andrianjakatiana, moa dia efa nametraka ny 30 jona 2018, herinandro tao aorian’ny namoahan’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny datim-pifidianana tamin’izany fotoana izany fa ho atao ny 7 novambra ny fiodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena dia ny 12 desambra ny fiodinana faharoa. Nilaza izahay tamin’izay fa tsy vahaolana ny firosoana amin’ny fifidianana fa mila jerena aloha ny sosialim-bahoaka. Fiantraikan’ny fanapahan-kevitra tamin’izany izao mitranga eto amin’ny firenena izao, hoy izy. Olom-bitsy no nifidy ary hosoka no nahalany izao fitondrana izao. Tsy azo atao intsony ny mangina fa miantso ny herivelona rehetra hanambatra ny hery. Tsy ho amin’ny fanoherana ny fiaraha-mitantana ireo nosy manodidina ihany fa manoloana ny zava-mitranga rehetra mihitsy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT