Feno ny kapoaka. Tsy mankasitraka ny mbola hitantanan’i Tongavelo Athanase ny ministeran’ny fampianarana ambony intsony ireo “Associations Pédagogiques” avy amin’ny fakiolte sy sekoly samihafa eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo.
Nisy ny fanambarana miaraka navoakan’ny filohan’ireo fikambanana isan-tokony omaly izay milaza fa efa ela no nangataka ny fametraham-pialan’ny ministra ny mpianatra ary mbola mitazona izany hatramin’izao. “Tsy noraharahaina mihitsy ny fianarana ambaratonga ambony nandritra ny sivy volana, porofon’izany ny fitokonana in-tsivy miantaona tety an-toerana”, hoy Ravelojaona Pierret, filohan’ny AEDECOUA. Nanamafy koa i Andriafenomiarisoa Lantoniaina Hery, mpitondra tenin’ny mpianatra fa nisy fikarakarana fampihaonana ny tokotelo mahamasa-nahandro eny anivon’ny anjerimanontolo handinihana ny hoavin’ny fampianarana ambony saingy tsy nipoitra ingahy ministra. Karazana valin-kafatra ho an’ireo mpianatra izay nanao fanambarana mangataka ny hitazonana an’i Tongavelo Athanase amin’ny toerany nandeha tamin’ny fahitalavitra ny alatsinainy alina no nataon’ireto fikambanana ireto.
Hisy indrindra ny fandraisana fanapahan-kevitra ho an’ireo mpianatra ireo raha ny nambaran-dRavelojaona Pierret noho izy ireo nandika ny lalàna mifehy ny oniveriste. “Araka ny naoty navoakan’ny fiadidiana ny oniversite dia ny filohan’ny ‘Association pédagogique’ irery ihany no misolotena ny mpianatra ary tsy maintsy mandritra ny fivoriambe no andraisana fanapahan-kevitra”. Ankasitrahan’ireto filohan’ny fikambanana ireto kosa ny fangatahana fanondrotana 50% ny vatsimpianarana na dia ambarany aza fa tsy mahamaika noho ny fampandehanana ny fanadinana sy ny famoahana ny vokatra izany.
Tokony hotohizana koa anefa ny fandoavana ny vatsimpianarana ary efa nampanantena izany rahateo i Tongavelo Athanase nandritra ny fitsidihany teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra tamin’ny volana desambra 2010 lasa teo. Fa ankoatra ny ministra dia takian’ny “Associations pédagogiques” koa ny fanafoanana ny toerana anjaran’ny mpianatra ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita. Mandany volam-panjakana fotsiny io toerana io, hoy i Andriafenomiarisoa Lantoniaina Hery satria tsy nisy mihitsy ny vahaolana nentin’ilay Parlemantera ho an’ny mpianatra hatramin’ny nidirany tao anatin’io andrimpanjakana io fa nangina hatrany ny tenany na dia nikatso aza ny fampianarana nandritra ny telo volana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.