Politique

Fiitantanana mivaralila Mpiasam-panjakana ambony maro no efa tena leo


  • Zoma 08 Aprily 2022

Misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony sasany toa ny tale na “chef de service” eny anivon’ny ministera eny no tena sahiran-tsaina amin’izao fotoana

.Mahafantatra tsara ny ati-vilany mantsy izy ireo, mahalala tsara ihany koa ny hoe ahoana marina izany hoe fitantanan-draharaham-panjakana izany.Kanefa mahita ny fomba fiasa hafahafa dia sahirana, tsy sahy handeha hanao tahaka ny mpianatra mitaky vatsim-pianarana na tonga miteny tahaka ny mpanohitra noho ny fahatahorana sao voakitikitika ny asa, afindra toerana na mahazo sazy ohatra. Misy amin’ireo tompon’andraikitra ireo noho izany no nisafidy ny hangiana sy tsy hiteny intsony; misy mihitsy aza raha ny re tamin’ireo olona akaiky azy no mahalana vao miakatra birao. Maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto ary tsy mila hoe manampahaizana be vao mahafantatra an’izany. Tena ho sahirana ny fitondram-panjakana rehefa ela ny ela ka hivoaka amin’ny fahanginany ireo mpiasam-panjakana, mpiasana ministera ireo ka hamaky bantsilana ny tsy mety rehetra; ary moa ve tsy efa endrikendrik’izany va ny mahatonga antontan-taratasy mivoaka tampoka eny amin’ny facebook, ka iny no manainga ny fanadihadiana avy eo ? Ohatra azo raisina amin’izany ny raharaha CNaPS. Tsy hoe masina sy anjekyy ny fitondram-panjakana teo aloha, fa ity fitondrana amin’izao ity kosa efa tena “forme grave”, hoy ny tompon’andraikitra eo anivona ministera iray; izany hoe tena be loatra ny tsy mety sy ny gaboraraka. Antony iray mahatonga ireo tompon’adraikitra sasany tsy hisehoseho ihany koa fa mipiripirina aloha amin’izao fotoana ny hoe raha misy fiovana governemanta na olana politika goavana hitarika any amin’ny fiovan’ny fitondrana mihitsy aza dia tsy te ho ratsy endrika eo anivon’ny fiarahamonina izy ireo.Tsy te hiray tsikombakomba amin’ireo zavatra tsy mety mitranga any anaty departemmanta isanisany any.Mazava ny resaka eto fa manana olana izany ny fitantanan-draharaham-panjakana eto ary miha malemy ny fahefam-panjakana.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT