Politique

Fihetsiketsehana etsy sy eroa Efa miomana amin’ny fifidianana ny AREMA ?


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Nitohy ny sabotsy sy ny alahady lasa teo ny asa tanamaro izay nataon’ireo tanora Arema eny ambany tanàna. Ny teny amin’ny boriboritany fahadimy

, tao amin’ny fokontany Manjakaray ary tao ankazomanga Atsimo hoan’ny boriboritany faha enina no nanaovana ny asa. Fanadiovana tatatra sy ny lobolobo rehetra no nataon’ireo tanora tamin’izany. Navitrika ireo tanora noho ny fanohanana izay nation-dRamatoa annick ratsiraka sekretera nationalin’ny Antoko arema. Nanamafy ny fahavononany hanao ny asa fanadiovana tahaka izao ireo tanora ireo noho ny fanomezan-tanana izay ataon’ny arema. Nohamafisin’ny sekretera nasionalin’ny antoko Arema ihany koa nandritra io fotoana io fa ho tohizana ny fifaninana tanàna madio amin’ny alaln’ny asa izay ho ataon’ireo tanora ka hisy ny fizarana loka isaky ny 3 volana. Vary iray gony sy voamaina no homena ireo izay mandresy. Tanjona hoy izy ny hisian’ny fahadiovana mandava-toana eny amin’ny faritra Iva sy ho fanentanana ny mponina mba hanaja sy hitandro izany fahadiovana antoky ny fahasalamana izany. Hoan’ny fiarovana ny tontolo ianinana ihany koa dia efa niroso tamin’ny fandavahana ny taninjana-kazo tany Tsiafahy ireo tanora miisa 30 mianadahy ny alahady teo. Ny faha 5 febroary izao moa no hanaovana io fambolen-kazon’ny antoko Arema io. Heverina fa tsy tongatonga ho azy izao fihetsiketsehana ataon’ny antoko Arema izao fa tafiditra tsara mihitsy ao anaty paikady politika; manamboatra ny sariny manoloana ny vahoaka aloha, miezaka maka ny fon’ny olona amina asa sosialy isan-karazany.Aoriana kely ao dia azo antoka fa hanomboka hiresaka toekarena, raharaham-pirenena, ary mazava ho azy fa hiresaka politika. Tsy mbola maty ny antoko Arema nna dia hita ho sahirana mamondron-kery aza, saingy tsapa fa efa mihetsiketsika , ary iza no mahalala raha efa mba miomana amin’ny fifidianana 2023 ihany koa ry zareo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT