Hafahafa, mampiahiahy ny maro ny fisehon-javatra ankehitriny.
Vao lany “1er tour” teny amin’ny Kogresy ny tetibola ary lafo ny fiaramanidim-panjakana, dia mivoaka lapa, mitety Fokontany ny filohan’ny tetezamita ary milaza fa hanao fety mitalakotrokotroka hitokana fotodrafitrasa ihany koa ato ho ato, manginy fotsiny ny fanobahana eto Antananarivo indray ny vary mora (?), 800Ar ny kilao. Mazava ny tetika ao ambadik’izany, fa dia ny hamafana ny anaran-dRavalomanana amin’ny tantaran’ity firenena ity raha ny fahitan-dRandrianarisoa Guy Rivo, azy. Fony izahay tao amin’ny Kaominina anefa no efa vita sonia ny tetikasa lalankely, fa fanatanterahana sisa, hoy ity farany nampahatsiahy.
Endriky ny tsy fahatokisana sy tsy fahombiazana tamin’ny fitantanana kosa aminy no anton’izao fikoropahan’ny mpitondra ankehitriny izao, hoy ity mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana ity. Novantanin-dRaveloson Constant tetsy amin’ny Magro Behoririka koa ny resaka, fa “adidinareo ny manao ny lalana na kely aza fa aza misoloky ny volam-bahoaka !”. Amin-dRaveloson Constant dia miseho amin’ny endriny vaovao indray ny fanonganam-panjakana ataon’i Andry Rajoelina, raha fahefana tamin’ny 2009 dia ara-bola indray izao. Koa nanaitra ny mpiara-mitolona aminy izy tsy hatoritory manoloana izany.
Ny CST Andriamaholison Jules kosa no nampahatsiahy ny hevitry ny fianakaviam-be iraisam-pirenena milaza fa tsy maintsy tanterahina ny tondrozotra. Ireo Nosy rahavavy roa miara-miasa amin’i Lafrantsa, dia Maorisy sy Seychelles, ihany no mitady hitsivalana ao amin’ny SADC, hoy izy saingy tsy misy atahorana ny amin’izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.