Ivelan’ny fivoriana tsy ara-potoana atrehin’ny Parlemanta, ny Antenimierampirenena dia manokana ny alakamisy faha 12 martsa 2020,
hametrahana fanontaniana ny Governemanta. Izany dia hahakasika manokana ny aretina Coronavirus sy ny fepetra izay raisin’ny Fanjakana, hoy ny fampitam-baovaon’ny Antenimieram-pirenena. Voakasika amin’izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahan-tany ary ny Famantarana ny toetr’andro, izay manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Ny hariva manomboka amin’ny 3 ora kosa dia mahakasika ny tsy fandriam-pahalemana, izay hiantsoana ny Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarmaria. Efa fampiomanana an’ireo Minisitra amin’ny mety ho valin-teniny izany ity fampahafantarana nataon’ny solombavambahoaka ity. Hifanaraka amin’ny tena zava-misy marina ve ny fanazavana hoentina satria toa efa naman’ny mivoaka alohan’ny fotoana izany ny laza adina ho an’ireo minisitra voakasika ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.