Vonona ny fitondrana hanamora ny resaka fananan-tany, tsy hisy intsony ny manjaka tokana eto amin’ny firenena, ary vonona izahay hifanome tànana, hoy ny filoham-pirenena.
Hanohana sy hanampy hatrany ny sehatra tsy miankina ny fanjakana. Isan’ireo paikady napetraka ny fanenana ireo hetra sy haba aloan'ny mpandraharaha mba hahafahan'ireo orinasa mihodina, eo ihany koa ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola sy fanamaivanana ny fampandehanan-draharaha ifandraisana amin'ny fanjakana. Nambaran’ny Praiminisitra fa miantona avokoa ny hetra amin’ny fidiram-bola, TVA, IRSA, malalaka hatramin’ny 15 aogositra ny hetra tambatra ho an’ny mpandraharan’ny fizahantany, fitaterana ana habakabaka, ny orinasa afaka haba, Tsy hisy intsony ny teritery na fanerana fandoavana ireny vola tokony haloha hatramin’ny 15 aogositra 2020,...
CNaPS sy JIRAMA
Hojerana ihany koa ny lafiny mahaolona, ka hisy ny fifanantonana eo amin’ny CNaPS sy ny Jirama mahakasika ny vola tokony aloa sy ny adidy tokony hataon’ny orinasa. Isan’ny nangatahan’ny mpandraharaha ny fampidinana ny vidin-tsolika. Ny tena andrandrain’ny mpandraharaha dia ny fanampiana ara-bola tsy misy tamberina na “subvention” avy amin’ny fanjakana, hoy izy ireo. Raha tsy azo antenaina io, dia tokony hamoraina ny fampindramam-bola madinika: hampidinina ambany ny zana-bola amin’io izay tokony ho latsaky ny 5%,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.