Politique

Fihaonanamben’ny depiote Fanesoana vahoaka manara-penitra


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Niteraka adihevitra tsy ifankahitana nanomboka omaly ny sary naneho ny endrika nisehoan’ny fivoriana ara-potoana teny amin’ny Antenimieram-pirenena sy Antenimierandoholona ny talata 20 oktobra lasa teo.

 

 

 

Ny lalàmpanorenana ao anatin’ny andininy faha-84 no mamaritra ny hanaovana ny fivoriana ara-potoana faharoa natao handinihana sy handaniana ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona ho avy. Samy andrim-panjakana, fa samy hafa tanteraka ny endriky ny fanombohana ny fivoriana. Narahana hanim-pito loha ny kabary teny amin'ny CCI Ivato ho an'ny solombavambahoaka. Ny kabary sy fifampirariantsoa kosa no natao nisinisy ho an'ny Loholona teny Anosikely fa tsy nisy fiarahana miala hetaheta. Ity andrim-panjakana ity rahateo, dia nolazaina fa mandany vola hatrany am-boalohany, ary na mbola ao anatin’ny fe-potoana hiasana izay ho tapitra amin’ny 21 janoary 2021 aza, dia tsy nofenoina fa notapahana ny tetibola hiasany. Efa nalefa any hiatrehana ny kere any Atsimo, hoy ny Minisitry ny vola Atoa Richard Randriamandranto. Nambarany, fa mitsinjo hatrany ny laharam-pahamehana apetraky ny Filoha sy ny Praiminisitra hanatsarana ny fiainam-bahoaka. Noho izany, ny faran’ny taona dia tsy maintsy tsinjovina ny vola eo am-pelantanana”, hoy izy. Ny solombavambahoaka etsy andaniny, mihinam-be, tsy misy resaka tsy mahalala akory izay fahasahiranana sy kere any Atsimo. Tsy fialonana ary tsy mandrara ny depiote tsy hisakafo hanim-pitoloha, fa ny fanaovana tari-bato vilam-bava, toa fanesoana vahoaka no manahirana.

IZA NO TENA MPANDANY VOLA?

Ny mpitondra milaza fa mitsitsy, mijery ny laharam-pahamehana, kanefa mampiseho sary toa miendrika fanaovana fiainana sy rendrarendra, izay azony natao mangingina tao na “huis-clos” mba tsy hampiteraka resa-be. Ny vola hiasan’ny andrim-panjakana misy loholona 63 iray etsy ankilany tapahana mba hakana doka politika, fa ny ankilany misy 151 tsy kitihina, ary mbola sary maneso vahoaka no mivoaka. Iza no tena mpandany vola? Toa feno fihatsarambelatsihy ka asa izany tokoa angamba no atao hoe fanesoana manara-penitra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT