Na ireo solombavambahoaka IRD aza dia tsy nitsitsy fitenenana manoloana ny tandrevaka amin'ny fiatrehana ny ady amin'ny Covid 19.
Mitaky fanazavana misymisy kokoa momba ny fiatrehana ny ady amin'ny covid 19 ireo solombavambahoaka izay mitatitra ny ahiahin'ny malagasy manerana ny faritra. Nisy ny nanontany mazava ny fampiasana ilay 444 tapitrisa euros. Efa tena alohalika ny ranom-bary. Tahaka ny depioten' Ambohidratrimo ohatra dia naneho fa ahoana marina moa ity vatsy tsinjo ity, hoy izy. Toa ny olona efa manana fiara tsy mataho-dàlana indray no mahazo. Mba jereo izay azo atao fa rehefa tsy vitanareo dia izahay depiote no hamoaka ny kely am-paosy handaminana ireo vahoaka tsy nahazo, hoy izy. Ankoatr'izay, ny CVO nahoana no tsy aparitaka tsara, hoy ireo depiote. Voaresaka omaly ihany koa ny fampianarana, fananga¬nana fotodrafitrasa. Ny tambin-karaman’ny sefom-pokontany misy tsy voaloha, ny fanampiana ho an’ny mpampianatra FRAM misy 10 volana tsy nandray,… Nitaraina ny solombavambahoaka voafidy tany Tolagnaro fa tena 6 andro be izao no hanaovana an'i Tolagnaro Antananarivo raha mandeha fiara. Tetezana maro no simba any, anisan'ny fampanantenana tamin'ny propagandy anefa ny hanamboarana iny lalana iny. Any Amparafaravola, manahy ny solombavambahoaka sao ho tafiditra any ny valanaretina covid 19, misy lalana manivaka avy any Toamasina mantsy any. Andilamena sy Ambatondrazaka rahateo efa misy ity areti-mandoza ity. Ny depioten’i Mananjary dia niantefa manokana tamin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ary namoaka vava mihitsy hoe: tompon’andraikitra ianao raha misy korontana amin’io fitrandrahana ao Vohilava izay harovanao io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.