Politique

Fihaonana tany Mahazoarivo Torana ka naiditra hopitaly i Jao Jean


  • Alakamisy 26 Novambra 2020

Tsy nisy nipika ny dinika teo amin` ny praiminisitra sy ny minisitry ny vola ary

 

 

ireo depiote maherin` ny 60 avy amin`ny vondrona IRD ny talata lasa teo. Raha tsiahivina dia nampanantsoina teny amin`ny lapan` i Mahazoarivo ireo solombavambahoaka ny talata lasa teo. Raha ny fantatra dia momba ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana eny Tsimbazaza no novoriana maika teny Mahazoarivo nandritra io andro io. Marihana fa naharitra ora efatra izany dinika izany satria efa tamin`ny 6 ora hariva vao nifarana ny fivoriana. Mety mafy tokoa ny dinika tao ambadika satria nisy mihitsy solombavambahoaka iray voatery naiditra hopitaly. Araka ny loharanom-baovao dia torana ny depiote Jao Jean izay voafidy tany Antsohihy, nandritra ny fivoriana. Izy dia anisan`ireo depiote niady mafy amin`ireo karazana tombontsoa ho an`ireo depiote toy ny fitakiana fisotroan-dronono ho an` ny solombavambahoaka. Hatreto dia tsy fantatra mazava no antony nahatonga izany tsy fahasalamana tampokafa dia samy miandry izay vaovao ofisialy mivoaka; maro ny olona tojo tsy fahahasalamana amin’ny hafana be iainana isan’andro izao indrindra moa far aha olona efa taizan’aretina na sokajiana ho marefo. Tsy vitsy ihany koa ireo manana olana amin’ny fo rehefa misendoatra loatra any anaty adhevitra.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT