Politique

Fihaonana tamin’ny Vondrona Eoropeanina Nambaran-dRajoelina fa tsy misy krizy eto


  • Talata 09 Aogositra 2022

Notanterahina omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Iavaloha ny fihaonana ara-politika andiany faha-10 teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina.

Fotoana niresahana ny toe-draharaha politika, ny lafiny fiaraha-miasa, ny angovo, ady amin’ny kolikoly, fampahafantarana ilay antsoina hoe “NDICI-Global Europe”, ary ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny roa tonta no nifampiresahana sy niadian-kevitra. Fifanakalozana izay nambara fa ahafahana manamora ny famaritana ireo laharam-pahameehana hanamafisana ny fifamatorana misy mifototra amin’ny seha-piaraha-miasa maro. Na izany aza, mbola tsy tena misy akony ny tohin’ny fifanarahana ara-jono eo amin’ny tany roa tonta. Nandritra io no nanehoan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fa efa mahavita manarina ny fahatarana ny firenena na eo aza ny voka-dratsin’ny rivodoza sy ny coronavirus, ankoatra ny ady any Ukraine izay tanisainy matetika. Nandritra io no nilazan-dRajoelina fa tsy ao anatin’ny krizy ny firenena fa noho ny hetraketraky ny natiora no anton’ny fahatarana, tsy anaty krizy kanefa mila fitoniana,... Tena mitombina ve izany? Isan’ny nambarany moa fa tetikasa goavana manamarina ny maha mafy orina amin’ny fifandraisana ammin’ny Vondrona Eoropeanina ny ny fanamboarana ny RN13,… Marihina etsy ankilany fa tsy nisy solontenan’ny Vondrona Eoropeanina nandritra ilay “werawera” fety be fanombohana ny RN13 tany Taolagnaro ny 18 jona lasa teo. Tsy misy daty mazava momba ny fanombohana sy fiafaran’ny as any takelaka. Tetikasa izay tsiahivina fa ny Fanjakana Rajaonarimampianina no angady nananana sy vy nahitana izany, izany hoe: fitohizan-draharaham-panjakana no misy. Ny Filoha ankehitriny izay nanao vavabe tamin’ny 2018 fa mampahantra ny fitrosana vola amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, saingy tsy misy atokona ny Fanjakany ankehitriny raha tsy misy ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Naneho moa ny Vondrona Eoropeanina fa hiaraha-hiasa amin’I Madagasikara amin’ny fametrahana tontolo ara-pitoniana hisintonana ny mpamatsy vola sy mpampiasa vola ny Vondrona Eoropeanina. Naneho fa ho eo anilan’I Madagasikara amin’ny lafiny ara-toekarena. Etsy andaniny, ny fihetsiky ny Fanjakana dia mampihemotra ireo mpampiasa vola: herinaratra midangana ary mbola hidangana, Fanjakana mifanditra amin’ny Fanjakana amin’ny vola mifampiditra toy ny resa-tsolika, ny mpandraharaha avy any ivelany toy Afrikanina Tatsimo sy ny Maorisianina izay hatao takalon’aina noho ny resa-bolamena izay hadisoan’ny manam-pahefana Malagasy tsy nahavita ny niaro ny fiondranan’ny harena antsokosoko.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT