Politique

Fihaonana politika Dinika fa tsy seza


  • Talata 04 Janoary 2011

Niverina an-kianja tao Behoririka ny mpomba ny Ankolafy Telo omaly rehefa niato kely nandritra ny telo andro, nitsenana ny taona vaovao 2011.

Maro tsy toy ny alatsinainy tsotra ny olona tonga nifampiharahaba tratry ny taona. Nandritra izany koa no nandefasana ny vidéo mirakitra ny sarin-dry Fetison, Zafilahy ary pastera Edouard any Ambotolampy sy ny namakiana ny taratasy firariantsoa nalefan’izy ireo, toy izany koa ny avy amin’ny AMF/3FM, sy ny kabarin’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny 31 desambra 2009. Tamin’izay no nanamafisan’i Manoela fa fihavanana sy tombontsoa ambony ny firenena ny fiverenana ireo filoha roalahy an-tanindrazana.

Ny depioten’i Faratsiho, Randrianjatovo Henri, koa nanampy izay voalazany fa ny antokon’ny fitondrana mihitsy ankehitriny no manatona satria aty amin’ny movansy Ravalomanana ny lakile, hoy izy. Na izany aza dia nanamarika izy fa tsy mbola misy resaka seza anefa izao fa mbola dinika ary ny filoha Ravalomanana ihany, hoy izy, no manolotra ny olony ao anaty rafitra ary tetezamita eken’ny rehetra sy ny iraisam-pirenena izany. Etsy andaniny, taorian’ny dia nandamoka tany Azia nataon’ny filohan’ny FAT farany teo dia tsy manan-tsafidy izy ka voatery hiroso amin’ny fifampidinihana. Mandeha ny resaka fa homena ny Ankolafy Telo ny toerana eny Mahazoarivo sy Tsimbazaza. Nipoitra ao anatin’izay koa ny mety hiverenan’i Mangalaza Eugène, ho praiministry ny marimaritra iraisana, araka izay efa nifarahan’ny efa-tonta tany Addis Abeba.

Mijanona ho resaka anefa aloha izany, satria mbola anatin’ny dinika ny andaniny UDR-Fanovana sy ny ankilany Tiako i Madagasikara. Ireto farany izay efa nifampidinika amin’ny UdemPro mpiray dia aminy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Ny mpomba ny FAT moa dia mametraka fa rehefa tsy esorina eo amin’ny toerany ny filohan’izy ireo dia tokony tsy hisy ny olana amin’ny fanatanterahana izay fifanarahana mety hitranga. Ankoatra ny hanomezana filohana andrim-panjakana ny profesora Zafy Albert dia dinihina ihany koa ny fodianan’ireo filoha sesintany an-tanindrazana tsy misy raorao. Tamin’ny alakamisy lasa iny no efa tokony niravona ny resaka, saingy misy ny indro kelin’ny mpandrafitra ka dia hitohy anio na rahampitso indray ny dinika. Raha izay tokoa no tantateraka dia hitondra filaminana hoan’ny firenenana amin’izay ity taona vaovao ity fa tsy ho sanatria hifara amin’ny tranga any Côte d’Ivoire. 

Rakoto Maxime sy Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT