Politique

Fihaonan’ny Governemanta sy Kongresy Sinema fiarovan-toerana no betsaka


  • Talata 06 Novambra 2012

Na dia naharitra nanodidina ny ora 10 mahery aza ny fifanandrinana mivantana teo amin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta notarihan’ny Praimnisitra Omer Beriziky sy ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita notarihan’ny filohany Mamy Rakotoarivelo, dia hitan’ny rehetra na nivantana na narahana tamin’ny haino amanjerim-panjakana fa sinema no betsaka.

 Efa vita kalamina avokoa mantsy ny fanontaniana napetraka sy ny valiny fa tsy nisy tena napetraka nivantana izany afa-tsy iray na roa somary naningana kely fotsiny ka efa nampimenomenona ny namany sy ny filohan’ny kongresy fatratra. Raha ny marina dia tsy tokony ho nisy CT maro namaky fanontaniana intsony fa tonga dia novakian’olona iray niaraka dia novalian’ireo tompon’andraikitra niantefany. Noho ny fandehanan’ny hetsika nivantana tamin’ny fahitalavitra anefa dia mba mila ho hitan’ny any an-tanàna fa tena miteny mivantana ary miasa mafy ny olom-boatendriny aty Antananarivo aty.

Raha atao bango tokana dia valin-teny fiarovan-tseza sy fiarovana ny fitondrana ho mahavita zavatra sy mahay manatanteraka ny zavatra ankinina aminy no nataon’ny praiminisitra sy ireo minisitra rehetra tonga namaly ny fanontaniana tandrify azy. Marihina fa tsy nahazo rariny ireo CT katahotra nangataka ny hanohizana ny fotoana ny ampitso maraina fa tsy mandrimandry ny tany any amin’ny fodian-dry zareo eto Iarivo.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT