Efa ho iray volana latsaka kely izay no nandeha be ny resaka fa hoe mety hisy indray ny fihaonana eo amin’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ka i Tanzania sy Lafrantsa no miketrika io fampihaonana io. Roa andro lasa izay dia mbola nody fanina ny amin’izany resaka izany i Andry Rajoelina ary nanizingizina fa efa fifidianana izao no mahamaika. Tsy azo ialana anefa io fihaonana io, satria dinika ambony latabatra ihany no handravonana ny olana.
Fantatra ary izao fa omaly tolakandro no nanainga tao Afrika Atsimo ka nihazo an’i Dar es Salam, renivohitr’i Tanzania Atoa Marc Ravalomanana. Hanara-dia azy koa i Andry Rajoelina, ka raha ny tsiliantsofina re dia anio hariva no hanomboka indray ny fihaonan’ny roa tonta, izay hatao eo ambany fitarihan’i Tanzania, mitarika ny Troika-SADC ankehitriny. Ho an-dRadanoara Julien, manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena dia tsy maintsy mikaroka ny hevitra rehetra hamahana ny krizy ny SADC mba tsy ho afa-baraka. Mifantoka any amin’ny SADC ny sehatra iraisam-pirenena izao, hoy izy satria ity fikambanana ity no tompon’andraikitra voakasika mivantana voalohany amin’ny famahana ny olana amin’ny faritra misy azy. Tsy misy izany vondrona na fikambanana ka hoe hitsoaka an-daharana izany, satria tsy nahita vahaolana tamin’ny famahana ny krizy iray, hoy Radanoara Julien, ka izay no antony mampihetsiketsika ny SADC sy ny hikarohany ny lalana rehetra handravonana ny fifanolanana misy eto Madagasikara. Nomarihany ihany koa fa efa im-betsaka ihany i Andry Rajoelina no niteny hoe tsy hivoaka any ivelany, na tsy hidinika intsony, indrindra moa fa amin’i Marc Ravalomanana, saingy nanaiky nihaona tany Seychelles sy tany Pretoria ihany anefa izy. Fanerena an-kolaka ny haneken’ny filohan’ny tetezamita ny fanohizana ny dinika, ny fanaovana fanadihadiana iraisam-pirenena any atsimo, hoy ihany Radanoara Julien, ary ho sarotra ho azy ny handa fiantsoana fifampiresahana. Efa nandramana naroso ilay «Ni…Ni» kanefa tahaka ny tsy nety, hoy i Radanoara Julien, ka mety hiantso ny filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, indray ny SADC, amin’ny fanambarany manaraka, hoy izy.
Misy ambadika ?
Momba ilay fanampiana vonjimaika avy any amin’ny Banky Iraisam-pirenena kosa dia nambaran’ity manampahaizana ity fa tsy dia misy dikany firy loatra izany satria na ny vondrona Hamas voasokajy ho mpampiorohoro aza, nahazo fanampiana ara-bola avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena rehefa tafiakatra teo amin’ny fitantanana ny governemanta tany Palestina ; ary tsy ny fitondrana akory no mitantana io vola fanampiana io fa avantana any amina tetikasa mihatra mivantana amin’ny vahoaka izany. Ho an-dRadanoara Julien anefa dia mety misy ambadika ihany io famatsiam-bola azontsika avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena io, ka entina ilazana fa tsy misy ny vola, tsy mahavita azy ny fitondrana tetezamita, ka entanina an-kolaka hikomy amin’io fitondrana io ny vahoaka. Efa nitranga tany amin’ny firenena Afrikanina maro sy tany Haïti izany, hoy ny fanazavany.
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Mazava be izao fa tsy manana olana amin’ny pasipaorony Atoa Marc Ravalomanana, ary afaka mivoaka an’i Afrika Atsimo. Mibaribary koa fa tsy maintsy mandalo amin’ny fifampidinihan’ny roa tonta ny dingana rehetra hamahana izao krizy izao. Hita amin’izao fihetsiky ny SADC izao koa fa tena mbola manana ny toerany amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa tsy mbola tafiditra ao amin’ny sokajin’ireo mpitondra fahiny nampidirina garazy. Tsy nahomby ny fihaonan’ny Ankolafy 4, tsy namaha tanteraka ny olana ny fanasoniavan’ny vondrona politika 10 ny tondrozotra, azo heverina kosa anefa fa hitondra vokatra tsara amin’ny famahana ny krizy ny fifanarahan’i Dada sy i Zandry Kely, raha tena fitiavan-tanindrazana sy tombontsoam-pirenena marina no mibaiko azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.