Politique

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

 

Io birao io, hoy izy no hametraka ny rafitra fiaraha-monina tena izy mba hisorohana ny tsy fandriampahalemana. Eo ihany koa ny fananganana ny birao ahitana ireo asa atao eny anivon’ny fokontany. Izany no hatao hamahana ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony, hoy ny ben’ny tanàna, Atoa Randrianalisoa Manoa Vincent de Paul. Hatsangana ihany koa ny serasera eo  anivon’ny kaominina hanafainganana ny fampitam-baovao. Mahakasika ny hetran-tany sy ny hetran-trano dia tsy maintsy hisy hanaovana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka ka ny 50%-n’ny hetra dia hiverina any amin’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany. Nanolotra solosaina ho an’ny polisim-pirenena moa ny ben’ny tanàna ary nilaza fa mangarahara sy madio hatrany ny  fitantanana ny kaominina Arivonimamo.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT