Politique

Fifidianana Tsy demokrasia ny «Ni…Ni»


  • Alatsinainy 03 Desambra 2012

Nanamarika ny hetsiky ny mpomba ny ara-dalŕna tao amin’ny Magro ny sabotsy teo ny fidirana an-telefaonina mivantana nataon’Atoa Marc Ravalomanana.

 Nisy ny fampitam-baovao nataony nilaza fa hisy ny fivorina hataon’ny SADC amin’ny herinandro (ity), ary dia mety hisy ny vaovao amin’ny heriny toy izao. Tsy maintsy hahita vahaolana ny SADC, hoy Atoa Ravalomanana, ary «minoa ahy ianareo fa tsy izany “ni…ni» izany». Nambarany fa tsy demokrasia ny “ni…ni». Maneran-tany dia ny vahoaka no misafidy ny mpitondra azy izay miavaka amin’ny programany ka ho tompon’andraikitra amin’ny teniny ny mpanely ny «ni…ni», hoy izy nanohy ny fanazavana. Izay olona mifandray amiko ka mahare ilay “ni...ni”, hoy Atoa Marc Ravalomanana, dia samy manontany hoe mahalala demokrasia ve ny mpitondra any aminareo ?

Nanala ny ahiahin’ireo mpomba azy koa Atoa Ravalomanana ka nilazany fa «mazava ny voalazan’ny artikla 20 ao amin’ny tondrozotra. Tsy misy fepetra ny fodiako. Aty amiko ny pasipaoroko. Tsy hahazo antsika ny lainga ary ny marina tsy maty. Matokia fa tsy hamadika anareo aho, betsaka ny manambitamby vola, volamena… fa tsy mandray aho na Ariary aza satria ny taniko tsy amidiko”. Niantso ireo mpomba azy Atoa Ravalomanana mba tsy ho taitaitra fa “tsy hisy fifidianana izany eo raha tsy tonga aho”, hoy izy ka aza manaiky hosaratsarahana.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT