Politique

Fifidianana tao Mampikony “Nandika lalàna ny kandida N°4”


  • Zoma 28 Jona 2019

Manomboka mifoha indray ny karazana fifanolanana sy fampibaribariana fa tena nisy ny hosoka na fandikan-dalàna ny fifidianana, toy ny tao Mampikony.

 

 

 Efa any amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitoriana. Kandida tsy miankina iray dia Atoa Tano laharana faha-4 no voalaza fa niditra tao amin’ny Radio Manga II any an-toerana ny 27 mey tamin’ny 9ora maraina androtry ny fifidianana, ary nilaza fa nahazo alalana tamin’ny Talen’ny Radio, ka niteny sy nanome toromarika momba ny fifidianana. Ny “Operateur” no nandray azy tao tamin’io fotoana io, ary nilaza ho efa nahazo alalana tamin’ny Tale izy. Nilaza anefa ny Talen’ny Radio Rakotovazaha Roros, fa tsy nahazo alalana avy aminy velively io kandida io, ka voafitaka izany ilay “operateur”. Teny an-dalana io Tale io no nahazo fampahafantarana tamin’ny Lehiben’ny distrikan’i Mampikony sy ny delegen’ny serasera fa misy kandida miteny amin’ny Radio, kanefa tsy naheno intsony izay nolazain’ilay kandida. Am-polony kosa ny fijoroana vavolombelona naneho sy nilaza fa nanao fanentanana ny hifidianana azy io kandida io, ary nanaratsy kandida hafa nambara fa hangala-bato. Voatana an-tsoratra ary nohamarinin’ny vadin-tany ny fijoroana vavolombelona rehetra maneho ny resaka hosoka sy fandikan-dalàna tao Mampikony. Ny HCC izay hamoaka ny vokatra ofisialy ny 1 jolay farafahatarany no ho tompon’ny teny farany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT