Politique

Fifidianana tany Soanierana Ivongo Nandika lalàna Rajoelina sy ny IRD, hoy Rasomotra


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Nanamafy ny fisian’ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidan’ny TIM tao Soanierana Ivoko Mananjara Fidison na Rasomotra.

 

 Nampiseho ny porofo fa tena nisy ny fitanilan’ny filoham-pirenena izay nidina ifotony tany an-toerana nanohana ankolaka ny kandidan’ny IRD ny 21 mey, tao anatin’ny fotoanan’ny propagandy. Nisy ny raharaham-pitokanana vatofehizona fotodrafitrasa ambara fa hatao. Ny kandida mpisolo toerana na ny “suppléant” Atoa Lemena Jeanné Afrique, dia nanao samboady amin’ny maha ben’ny tanàna nandritra io fotoana io, izay nisian’ny fandraisam-pitenenan’ny filoha. Mbola ben’ny tanàna ihany, kanefa efa tokony hitsahatra. Misy ny horonam-peo mazava notehirizin-dRasomotra sy ny ekipany tamin’ny kabarin-dRajoelina nivoy fa hanongana azy ny kandida mpanohitra raha maro an’isa, ka fantatry ny vahoaka ny tokony hatao sy hofidiana sy afaka hiara-kiasa amin’ny filoha. Nisy fiantraikany tamin’ny voka-pifidianana io fihetsiky ny filoha io, raha ny nambaran’ity kandidan’ny TIM ity izay namotsipotsitra ny fandikan-dalàna tsy tokony havela amin’izao fotsiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT