Politique

Fifidianana Solombavambahoaka Tsy izany no vahaolana hahavaha ny krizy politika !


  • Zoma 07 Janoary 2011

Raha arahina amin’ny maha-lalàna azy ilay didim-panjakana momba ny fifidianana depiote hatao amin’ny 16 martsa izao, dia anio 07 janoary izany no tokony manomboka ny filatsahan-kofidian’ireo kandida hifaninana amin’izany.

Ao anatin’izay anefa, maro ireo mpitarika fikambanana sy mpanao politika maneho ny heviny mikasika ity fifidianana ankisisika ity.

«Fikambanana mpanao asa sosialy eny amin’ny tontolom-piainan’ny mponina ny tenako, tena fahoriana no iainan’ny fianakaviana maro, ka amiko dia tsy mahamaika izany fifidianana depiote izany satria tsy ny solombavambahoaka no olana amin’ny fahamahana ny krizy eto amintsika, fa ny fifidianana izay ho lohan’ny fitantanana an’i Madagasikara, satria io no fototry ny olana ny taona 2009 iny», hoy Rtoa Zafitsara Maria, filohan’ny fikambanana FAFED Toamasina. Nambarany koa fa «izay hevitra tokony hahazona ny fankatoavana iraisam-pirenena no tokony himasoan’ny mpanao politika, hiverenan’ny famatsiam-bola ; hiverenan’ny fanampiana anay koa hanaovana ireo asa sosialy». Ho an’ny Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny Ankolafy Ravalomanana ao Toamasina, kosa dia «tsy ny fanemorana, na ny fanaovana ankisisika amin’ity fifidianana ny 16 martsa ity no vahaolan’ny krizy politika ity, fa fiarahana midinika aloha ary miara-mandray fanapahan-kevitra, satria izay tsy fisian’ny tenierana izay no fototry ny olana teto, ary irosoana ny fiaraha-mitantanana sy ny fametrahana marina ny demokrasia tsy hisian’ny fihatsarambelantsihy. Avy eo miditra avy hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay tena olana eto amintsika fa tsy ny depiote».
 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT