Politique

Fifidianana solombavambahoaka Tonga ireo bileta tokana 10 674 000


  • Talata 30 Aprily 2019

Tonga omaly alatsinainy 29 aprily maraina tokony ho tamin’ny 5 ora teny Ivato ireo "palettes" 252 misy ireo antontan-taratasin-datsabato hampiasaina amin'ny fifidianana solombavambahoaka izay natonta tany Afrika Atsimo.

 


 Nahatratra 10 674 000 ny isan’ny bileta tokana natonta tamin’ity indray mitoraka ity. Ny famokarana sy ny fitaterana izany dia notohanan'ny kitapom-bola SACEM (Soutien au Cycle Électoral de Madagascar) iarahana amin’ny PNUD, Vondrona Eoropeanina, Norvezy, Alemana, Afrika Atsimo, Grande Bretagne, Korea, Soisa, Australia ary ny USAID. Hapetraka amina toerana fitahirizana azo antoka izy io mandra-pahatongan'ny fotoana izay efa napetraky ny CENI foibe hanapariahana ireo fitaovana isaky ny Faritra, distrika, kaominina, biraom-pifidianana, izay efa misy lamina manokana sy voafaritry ny CENI hanatanterahan’izy ireo azy. Ampahatsiahivina ny rehetra fa ny 27 mey ho avy izao ny fififidianana solombavambahoaka ary ny alatsinainy 6 mey kosa no hanomboka ny fampielezan-kevitra. Miisa 803 ireo kandida ka ny 517 amin’ireo dia tsy miankina avokoa ary natolotry ny antoko na vondron’antoko ny ambiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT