474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Vita omaly alatsinainy 20 mey teny Nanisana ny lanonana. Tanjon’ny fanampiana ny hividianan’ny CENI fitaovana handavorariana ny fizotry ny fifidianana. Faniriana ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary ao anatin’ny fitoniana, hoy Atoa Yorio ITO, mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana eo anivon’ny masoivoho Japoney ary mba haneho ny fahamatorany amin’ny fametrahana ny demokrasia ny vahoaka Malagasy.Efa nanampy tahaka izao ihany koa ary nanome vola mitentina 1,4 miliara ariary ny CENI i Japon mialoha ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018. Nankasitraka ny fanohanana ary nisaotra an’i Japon ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana amin’ny fanohanany ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.