Politique

Fifidianana solombavambahoaka Inona marina ireo hevitra fonosiny ?


  • Alarobia 08 Mey 2019

Hahazo ny maro an`isa ve i Andry Rajoelina ? Hitazona ny toerany ve ireo ministra ?

 

 

Hanana ny anjarany ve ireo antoko hafa ? Amin`ny ankapobeny, ny fifidianana solombavambahoaka dia somary takona raha oharina amin`ny fifidianana filoham-pirenena, manan-danja kosa ny lafiny politika.

Maro an`isa ho an-dRajoelina

Ny fifidianana solombavambahoaka no hamaritra raha hahazo ny maro an`isa na tsia ny filoha Rajoelina eo anivon`ny Antenimieram-pirenena. Raha tsy azony izany dia sarotra ho azy no hametraka ireo rafitra sy paikady mifanaraka amin`ny politikany. Tsy hanova zavatra mihitsy na handroso didy hitsivolana izy. Araka izany, tsy maintsy azony ny maro an`isa tsy azo hozongozonina, izany hoe 75%-n`ny seza miisa 151 na solombavambahoaka 114, raha te hanamarin-toerana azy.

Fanovana governemanta

 Ny solombavambahoaka no manendry ny anaran`ny praiministra hitantana ny governemanta. Sarotra ny fanatanterahana ny IEM raha toa ka tsy hitovy firehana amin`ny filoha ny praiministra. Mifanandrify amin`ny tombana isaky iny enim-bolana ataon`ny governemanta ihany koa ny fifidianana solombavambahoaka. Ahafahana mahafantatra raha ilaina na tsia ny fanovana governemanta izy ity.

Hanalefaka ny herin’ny mpifaninana

Ny fifidianana filoham-pirenena dia natao hamaritana ireo hery politika  izay tena mantajaka: ny antoko TIM sy ny TGV. Mitovy an`zany ihany koa ny fifidianana solombavambahoaka saingy amin`ny maha fifidianana ifotony azy dia ny olona no tena jeren`ny vahoaka. Ny voka-pifidianana dia ahafahana mamaritra anefa raha mila olom-baovao ny vahoaka na tsia. Araka izany, betsaka ny kandidà depiote tsy miankina no hisedra safidim-bahoaka hanaparitahana vato. Noho izany, ny antoko manohana ny fanjakana dia tsy maintsy hanao izay handresena mba tsy hampilatsaka avy hatrany ny herijikan`ny antoko antoko TIM.

Potehina ny HVM

Misedra ny mafy hatrany ny antoko HVM. 8%-n`ny vahoaka Malagasy no nisitraka azy ireo tamin`ny fifidianana filoham-pirenena, izay isa azo atao hoe maivana. Hitantsika rahateo nandritra ny 100 andro voalohany nitondran`ny Filoha Rajoelina ny firenena fa saika nirona tamin` ny valifaty politika izy, indrindra amin`ireo olon`ny HVM : fanagadrana, fanamelohana, fitokanana ny asa fanindroany (lalana RN5 Ambilobe-Vohemar) Hita ihany koa ny fikasana handrava ny Antenimierandoholona, izay olon`ny HVM ny ankamaroany. Raha te hiasa ankalalahana ny filoham-pirenena dia tsy maintsy, ihany koa, mahazo ny maro an`isa eo anivon`ny « sénat » mba ahafahany mahazo ny fahefana feno.

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT