Politique

Fifidianana solombavambahoaka Hiandraiketan’ny CENI 100% ny fikarakarana azy


  • Talata 21 Desambra 2010

Fanapahan-kevitry ny fitondrana tetezamita manokana ary tsy nakany ny hevitry ny Vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana (CENI) ny namoahana ny datin’ny 16 martsa 2011 hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka, raha ny nambaran’ny filohan’ny CENI, ny Maître Hery Rakotomanana.

Tsy tokony hahagaga akory izany araka ny fanazavany ihany satria fanatanterahana ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fihaonambem-pirenena teny Ivato io, izay efa neken’ny rehetra, koa dia tsy manana hambara hafa na hitondra fanakianana ny CENI fa dia miomana amin’ny fiatrehana indray izany fifidianana manaraka izany. Nanamafy moa izy fa fanapahan-kevitra miavaka no noraisina satria ao anatina vanim-potoana miavaka sy tsy mahazatra isika amin’izao tetezamita izao. Raha ny tena marina tokoa mantsy dia mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana ary ivelan’ilay fe-potoana tokony hanatanterahana ny fifidianana rehetra atao eto amintsika nambaran’ny CENI dia ny 30 aprily ka hatramin’ny 30 novambra io datin’ny 16 martsa hanaovana ny fifidianana solombavambahoaka io.

Eo amin’ny lafiny teknika kosa dia nilaza ny Me Hery Rakotomanana fa efa natomboka tamin’ny 1 desambra lasa teo ary ho faranana amin’ny 31 janoary 2011 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana, araka ny lalàna efa mipetraka, ary efa eo am-pandinihana ny fomba fiasa mahomby sy tsara indrindra amin’ny fiatrehana io fifidianana amin’ny volana martsa io izy ireo amin’izao fotoana. Efa misy ihany anefa ny fomba fiasa vaovao noeritreretina atao amin’izany araka ny filazan’ny filohan’ny CENI, dia ny hoe tanterahana eny amin’ny masoivohon’ny CENI eny amin’ny distrika ny fanaovana «saisie» ny lisi-pifidianana fa kosa eny anivon’ny faritra no hamoahana (hanaovana impression) izany lisitra izany. Tsy vitan’ny vinavina sy ny resaka fotsiny anefa izany rehetra izany araka ny nambarany fa mila vola sy fitaovana, ary raha tiana ho vita tsara ny asa dia mila voarain’ny vaomiera mahaleotena momba ny fifidianana ara-potoana izany fanampiana izany.

Raha eo amin’ny rafitra amin’ny ankapobeny kosa dia nanamafy ny Me Hery Rakotomanana fa efa tafapetraka soa aman-tsara avokoa ireo masoivohon’ny CENI any amin’ny distrika rehetra manerana ny Nosy ary vonona hiatrika ny asa manaraka. Efa hita ny lesoka tamin’ny fiatrehana ny fitsapan-kevi-bahoaka araka ny nambarany ka miezaka ny hanatsara ny fomba fiasa ny ao amin’ny CENI sy ireo mpiara-miasa rehetra aminy, tompon’andraikitra 100% amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fifidianana amin’ny 16 martsa sy izay rehetra manaraka azy ny CENI, araka ny filazany ihany, fa raha ilaina dia fanohanana ara-torohevitra fotsiny sisa ny an’ny ministeran’ny atitany. Raha nanontaniana ny amin’ny mety hisian’ny mpiara-miasa na mpanohana hanampy ny CENI moa ny Me Hery Rakotomanana dia nilaza hoe : «matetika anie maro be foana no milaza fa hanohana sy hanampy e ! Ny fanatanterahana ilay iz anefay no tena ela sy mitarazoka…»

Nangonin’i RTT
Sary : Nandritra ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny 17 novambra 2010.)

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT