“Ahoana ny hiainan’ny vahoaka Malagasy ny vanim-potoana vaovao amin`ny filoham-pirenena ? Tena mbola sahirana ny vahoaka ary tsy hita hoe aiza no tokony halehany ary iza no tokony hiahy azy”, hoy i Hanta Randriamandranto, mpanao politika.
Vanim-potoana roa sarobidy no atrehan`ny Malagasy, hoy izy, dia ny fifidianana solombavambahoaka sy ben`ny tanàna. I Madagasikara dia miaina amin`ny demokrasia izay nolovainy tamin`ny tandrefana kanefa io dia sanda nomena antsika raha te hahaleotena. Ny demokrasia sy lalàmpanorenana nampiharina tany aminy eto amintsika kanefa tsy mbola haintsika io satria tsy mifanaraka amin`ny toe-tsaintsika Malagasy. Notsipihany fa zava-dehibe ity volana mey ity satria amin`io fotoana io no ahafahan`ny vahoaka hamaritra ny fiainany raha mety taminy izay vanim-potoana nitondrana azy na tsia. Amin`ny demokrasia mantsy dia ny vahoaka no maneho hevitra. Nilaza anefa i Hanta Randriamandranto fa ny Malagasy dia manana ny demokrasiany toy ny fokonolona, fokontany. Nihatra io ary haintsika. Tsy tokony ho ilay olona tompon-toerana no hilaza hoe “izao no zavatra vitako ka mety aminareo ve ?” fa ny vahoaka no milaza fa toy izao no hiainany ka tsy mbola tonga amin`ny tanjona tadiaviny. Amin`izao mbola maro ny mpitari-bato vilam-bava, miaina amin`ny zavatra mamirapiratra, mirentirenty, fampanantenana… nefa ny zavatra tena hiainana tsy mipaka aty amin`ny Malagasy. Mampanantena foana anefa tena misy ve izay politika izay ? Raha te handresy ny tsy fandriampahalemana, fanomezana fahasalamana any amin`ny vahoaka, fanomezana trano ho an`ny vahoaka…ny fanomezana asa azy no apetraka, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.