Politique

Fifidianana solombavambahoaka Efa misy zavatra tsy mandeha sahady


  • Zoma 03 Mey 2019

Efa misy zavatra tsy mandeha sahady ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny 27 mey ho avy io, hoy Rasamson Naina,

 

 

kandida solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano. Fiarahabana nahatratra ny taona no niantsoana ireo sefom-pokontany marobe teny Ambohimanambola, fotoana vitsy lasa izay. Fandrahonana avy hatrany no azon’izy ireo  tamin’ny alalan’ny antso an-tariby nataon’ny lehiben’ny distrika ny amin’ny tokony  hijerena akaiky ireo kandidam-panjakana any amin’ny faritra misy azy ireo avy, hoy izy. Nambarany fa ananan’izy ireo porofo ara-dalàna izany, fanamarihana nentiny teo anivon’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy. Marihina fa tsy nanao sonia ilay fitsipi-pihefezahana sy fitondran-tenan’ny kandida novolavolain’ny CFM ity kandida ity. Tsy kilalaon-jaza ny raharaham-pirenena ka tokony homena fotoana ihany ny kandida tsirairay avy handinihina izany fa tsy hatao tery vay manta, hoy izy.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT