Mandeha sahady ny resabe mikasika ny fizaran-toerana amin’ireo fari-pifidianana ao anatin’ny Distrika nilatsahan’ny kandida sasany ho solombavambahoaka.
Ho an’ireo Distrika be mpifidy toa an’Atsimondrano sy Avaradrano anefa dia tsy maintsy solombavambahoaka roa no misolotena ireo mponina ao aminy saingy misy manely sahady ny tsy faneken’ny sasany hizara toerana. Lazain’izy ireo fa rehefa tsy mahazo ny antsasamanila, izany hoe ny 50 %-n’ny vato azon’ilay kandida nahazo ny voalohany ny laharana faharoa dia tonga dia lasan’iretsy voalohany avy hatrany ny toerana roa. Naneho ny heviny mikasika izany ny kandida Thierry Rabary nilatsaka hofidiana tany amin’ny Distrikan’Avaradrano tamin’ny lisitra MAPAR. Nambarany fa tokony hojerena ny zon’ireo olona izay tsy nifidy ilay kandida nitarika fa nifidy ilay faharoa. Safidy mantsy no nataon’izy ireo, hoy ity kandida ity ka tsy tokony hisy ny fanaovana tsinontsinona ny vato nalatsany. Miantso ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny tenany, izay nanantitrantitra fa tena mijoro ho solombavambahoaka marina, mba tsy hihaino feon-dakolosy tokana fa handray sy hijery ny tena zava-misy marina. Fianianana efa nataon’ny CES rahateo, hoy ihany ity kandida ity, ny tsy hamoaka didy mifanipaka amin’ny safidim-bahoaka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.