Nofoanana ny fifidianana solombavambahoaka ka tsy maintsy haverina ny latsa-bato amin’ny fari-pifidianana efatra dia Ambanja, Belo sur Tsiribihina, Marovoay ary Sainte-Marie. Hosoka tamin’ny fitanana an-tsoratry ny fifidianana sy fampiasana fahefam-panjakana no voalaza fa anton’ny fanafoanana. Araka ny voalazan’ny lalam-pifidianana anefa dia amin’ny vanimpotoanan’ny maintany eo anelanelan’ny 30 aprily sy 30 novambra no hanatanterahana ny fifidianana, izay mbola hiandraiketan’ny CENI-T. Tsy miova fa mbola ireo kandida nifaninana tamin’ny 20 desambra ihany no hifaninana rehefa voafaritra ny daty hanaovana ny fifidianana.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.