Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.
Raha ny isam-bato 200 000 izany dia azo lazaina ho nampitsimbadika ny voka-pifidianana filoha, ankoatra ny hosoka samihafa toy ny taham-pandraisana anjara hatrany amin’ny 125% izany hoe nihoatra ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana ny nandatsa-bato toy ny biraom-pifidianana maro be tany Atsimo. Azo raisina fa tsy mitombina ny valin’ny fitoriana samihafa tamin’ireny. Mampanahy ny mbola hisian’ny tahaka izany amin’izao satria efa miantehitra amin’ny azo raisina fa tsy mitombina avy amin’ny HCC ny kandida sasany, indrindra fa ireo miara-dia amin’ny filoha izay efa nomen’ny HCC rariny ny hialokalofana amin’ny fitondrana ny anaran-dRajoelina. Misy ny mijapy tetikasam-panjakana, misy dia minisitra am-perinasa mihitsy no mandray fitenenana amina famoriam-bahoaka ataona kandida depiote,… Izay tsy manao hosoka sy tsy mangalatra fa manara-dalàna no sokajiana ho dondrona tsy mahalala izay ambonin’ny tany eto. Atao fanjakan’i Baroa mihitsy ve izy ity ka samy hanao izay saim-patany ? Handeha indray io ny resaka bileta tokana sy ny “specimen”, ka inona ny fepetra raisina amin’ny mety ho hosoka miainga amin’ireny ? Ahoana indray ny fanaraha-maso satria ireny no isan’ny mody nentina tao anaty biraom-pifidianana hahafahana maka bileta mivoaka any ivelany ary mety hampitomboina be dia be avy eo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.