Politique

Fifidianana solombavambahoaka 2,1 miliara ariary no vola niodina ho ana lisitra 31


  • Alarobia 23 Desambra 2020

Zara raha nisy 31 tamin’ny lisitra kandida solombavambahoaka 814 no nanao ny tatitra ara-bola

 

 

 

 momba ny fandaniany izay zara raha manome 3,8%, araka ny tatitry ny Vaomiera Mpanara-maso ny famatsiana sy fandaniam-bola tamin’ny fifidianana omaly teny amin’ny Hotely Carlton omaly 22 desambra. 25 amin’ny 31 no avy amin’ny kandida lany, ary 6 avy amin’ny mpirotsaka izay tsy lany. Ho an’ny fidiram-bola sy ny famoaham-bola dia 2 189 928 538 Ar no niditra tamin’ireo 31 lisitra, nanatitra ny fanambarana teny amin’ny vaomiera. Araka ny fanambarana nataon’izy ireo io fa tsy araka ny fitsirihana. Ny fandaniana 2 180 814 933 no lany. Ny ambim-bola, dia 9 113 605. Tsy mametra ny lalàna amin’ny ambim-bola, fa mipetraka ho volan’izy ireo ireo ihany. 70 tapitrisa isaky ny mpirotsaka hofidiana eo ny fandaniana ho an’ireo 31 izay nanao tatitra. Raha tsinjaraina isaky ny faritany, dia Antananarivo 685 980 650AR, Antsiranana 241 878 000Ar, Fianarantsoa 905 132 371Ar, Mahajanga 20 726 000 Ar, Toamasina 24 780 000, ary Toliara 297 312 512AR . Fianarantsoa izany no nitana ny lohalaharana. Ho an’ny 31 fotsiny, izay ahafahana mitaratra fa vola tsy toko tsy forohana no niodina.

NANDANY 1 MILIARA AR LATSAKA KELY NY IRD

Raha tsinjaraina isaky ny antoko kosa dia dia ny IRD no 990 707 200, tsy miankina izay natambatra 3 846 713 197Ar, Antoko TIM 185 462 250Ar izay ireo no mitana ny androan-tokony. Tamin’ireo 2000 tapitrisa eo ho eo, dia ny resaka dokam-barotra miaraka amin’ny mpanakanto 424 000 000Ar, ny fanofana fiara sy sy toerana iasana zava-maneno no manome 415 000 000Ar, sandan-karama vitsivitsy ho an’ireo mpanentana 343 000 000Ar, ny T-Shirt 283 000 000, solika 199 000 000, ny zavatra zarazaraina vidiana toy ny fitsaovan an-dakozia, fitaovana ho an’ny mpianatra, 174 000 000, ny sakafo 102 000 000, “Quotient” 80 000 000Ar izy nisy kandida nanadino,… 672 0000 tapitrisa tamin’ny fandaniana ihany no nisy piesy (Pièce comptable) mazava manamarina ny fandaniana, izay manome 30% eo ihany. 625 000 000 ihany no nisy sonian’ny mpamongady,…

TATITRA DISO, NY MPANAO LALANA NO MANDIKA LALANA…

31 kaonty amin’ny 814 no tonga, ary tsy nanara-dalàna ny ambiny. Mbola nisy tsy fanarahan-dalàna tamin’ny 31 saingy mba efa nisy dingana. Tsy taratry ny zava-nisy teny an-kianja ny tatitra tonga taty aminay satria amin’ny maha “experts comptables” dia mba mahita soritra ny fandaniana, hoy ny vaomiera. Solombavambahoaka mpanao lalàna, ary isan’ny nandray anjara tamin’ny fandaniana io lalàna io anefa ny ankamaroany. Tsy misy ilàna akory ny famerana ny vola ambony indrindra, raha tsy hitovy amin’ny zava-misy teny an-kianja ny fandaniana. Moa ve ny fanasaziana dia hampiharina amin’ny olon-tsotra ihany, fa tsy amin’ireo olom-boafidy satria tsy misy fanasaziana voafaritra? hoy ny vaomiera manokana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT