Politique

Fifidianana rafitra sy lalampanorenana 30 taona mahery izao no nitakiana azy


  • Zoma 01 Aprily 2022

Fahatsiarovana ny 31 martsa 1992 notifirana ireo mpitaky ny fahalalahana misafidy lalampanorenana roa dia ny "Etat unitaire" sy ny "Etat Fédéral",

izay novaina ho "Provinces autonomes" taty aoriana mba ho fitakiana ny fampandrosoana ifotony ny isam-paritra omaly, raha ny fampahatsiahivan’ny antoko politika Monima. Maty voatifitra tamin'izany i Laha Gaston, minisitry ny kolotsaina tamin'ny repoblika faharoa teo amin'ny faha 27 taonany, sy Rakotomandimby E., mpikambana Monima ary mpanao fitakiana am-polony. Voatifitra tamin'ny sirany na "bras" sy ny feny kosa ny raiamandreny Monja Jaona ka naratra mafy. Na dia naratra mafy sy natosika tamin'ny seza aza izy dia nanohy foana ny fitakiana sy ny fitarihana vahoaka, tsy nitaraina maharary, nanery ny fanjakana nisy tamin'izany mba hiroso amin'ny fametrahana fampandrosoana isam-paritra mifototra amin'ny fitsinjarana fahefana mahefa isam-paritra. Tao amin'ny lapan'ny faritanin'i Toliara no foibe noraisiny tamin'izany ary ny 3 Jona 1993 dia notafihan'ny fanjakana tamin'izany fotoana izany tao izy sy ny mpomba azy ka olona miisa 4 no maty voatifitra, ny 3 avy amin'ny mpomba azy ny 1 avy amin’ny mpanafika. Nandritry ny fanafihana dia notifirina tamin'ny basy fitifirana fiara mifono vy na char (LRPG) ny efitra nisy azy ka nirehitra sy may tanteraka. Na dia izany aza anefa dia nivoaka moramora tao izy sy ny mpanampy azy ary tsy may. Ka alohan'ny nahafatesany tamin'ny volana septambra 1994, araka ny fomba Antandroy, dia izy tenany no nisafidy ny anarana hiantsoana azy rehefa ho lasan-ko razana dia "Andriamagnavotsarivo - Oroatsimae - Gadraetsifay - Jeraetsimalilo " izany hoe "Andriamanavotrarivo - Dorana tsy may - Gadraina tsy fay - Kapohana tsy miferinaina", hoy hatrany ny fampahatsiahivana. Efa 30 taona mahery, araka izany, no nisian’ny fitakiana fifidianana rafitra sy lalampanorenena teto amin’ity firenena ity saingy mampametra-panontaniana hatramin’izao ny antony tsy hirosoana amin’izany.
J. Mirija
Legende: Ny federalista, Laha Gaston
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT