Politique

Fifidianana Manomana hala-bato manara-penitra ny FAT


  • Alatsinainy 19 Novambra 2012

Rehefa tsy hitan’ny FAT izay fomba hanakanana an’i Marc Ravalomanana dia efa manomana hala-bato ry zareo, hoy Rakotovazaha Olivier.

 Ireo manampahaizana manokana momba ny fifidianana tany Mauritanie, avy eo tany Cote d’Ivoire izay samy iaraha-mahalala ny tsy fahombiazana sy ny korontana naterany no tonga manampy ny CENIT eto amintsika. Araka izany, hoy ity Sekretera jeneralin’ny antoko MFM dia “manomana hala-bato manara-penitra ny FAT”. Efa mipoitra izany tao amin’ny CST ary dia tafiditra ao amin’ny hala-bato ihany koa io raharaha dahalo any Atsimo io satria ny olona matahotra tsy hifidy mihitsy.

Fampihorohoroana mantsy no miseho any Atsimo. Anisan’ny mampanahy ihany koa ny fitaovana hampiasaina, ao natain’izany ny ‘logiciel’. “Tsy maintsy miaro ny safidim-bahoaka isika”, hoy izy nanentana ireo mpiara-dia aminy. Tsiahivina fa anisan’ireo nanangana ny komity miaro ny safidim-bahoaka KMSB tamin’ny 2002 ity Sekretera jeneralin’ny MFM ity. “Rafitra ny hala-bato fa tsy olombelona”, hoy izy. Misy olona miofana, manana traikefa sy haizatra amin’izany. Manoloana izany dia nanaitra sy nanentana ireo mpiara-dia aminy ny Mafana mba hijoro, eo koa ny amin’ny lisi-pifidianana mba samy ho mailo.

Soa 
 
 
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Efa mazava fa tsy ho lany amin’ny ara-dalàna mihintsy ry Jean mianakavy ireo. Izay no mody hanomanany mafy ny fifidianana. Ary raha toa ka lany eo izy, izay vao tena ho raharaha ny an’ny firenena satria tsy mbola lany ary izy izao, diniho ity ataony, maika fa…Noho izany dia mila manara-maso tsara ny voka-pifidianana ny tia tanindrazana rehetra. Soa ihany fa efa misy koa irony SMS irony ahafahana mifandefa vokatra satria matetika dia eny an-dalana no hanovan-dry zalahy ny valim-pifidianana.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT