Politique

Fifidianana mangarahara « Maro ny ezaka tokony hatao », hoy ny SAFIDY


  • Zoma 05 Jolay 2019

“Amin`ny ankapobeny dia nizotra ara-dalàna ny fanomanana sy fiatrehana ny voka-pifidianana tamin`ny fifidianana solombavambahoaka satria dia tao anatin`ny fomba demokratika no nandraisan`ny vahoaka izany”, hoy ny Safidy - Fanaraha-maso ny fifidianana omaly.

 

 

 

 Ny CENI dia nanamafy fa mbola sarotra ny mametraka fifidianana tsy misy tomika sy ara-dalàna fa tsy maintsy misy olana maro sedraina amin`ny fiatrehana izany. Mila dinihana manokana ny fomba rehetra entina hanatsarana ny fanomanana sy fiatrehana izay mbola hatao eto amintsika. Nambarany fa betsaka ny ezaka tokony hatao amin`ny fangaraharana. Jerena manokana ny lisitra hampiasaina, ny fanamafisana ny fanentanana ny mpifidy handray anjara amin`ny latsa-bato, indrindra amin`ny fandrafretana ny lalàna mifehy ny fifidianana mba tena hifanaraka amin`ny zava-misy marina eto amintsika. Araka ny nambaran`i Stella Razafimahefa, eo anivon`ny SAFIDY dia mila hamafisina ny fahaiza-manaon`ireo mpikambana amina biraom-pifidianana. Tontosa omaly ny atrikasa fifampizarana ny valin'ny fanarahamaso nataon'ny SAFIDY niarahana tamin'ireo firaisamonim-pirenena samihafa mpiara-miasa sy ireo andrim-panjakana miasa manodidina ny fifidianana. Fotoana nahafahana nanome tolo-kevitra entina hanatsarana ny fikarakarana ny fifidianana na amin'ny sehatry ny fanentanana sy fanabeazana ny olompirenena na amin'ny lalàna momba ny fifidianana na amin'ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana.

 

 

Marigny A.sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT