Na dia efa nanambara tamin'ny fomba ofisialy aza ny HCC fa lany filoham-pirenena i Andry Rajoelina, tsy azo hamaivanina ny fitsikafonan'ny resaka doublon farany teo.
Voaporofo fa tsy tanteraka teto izany ilay hoe fifidianana madio sy mangarahara, ka mety mpitondra tsy tena araka ny safidim-bahoaka no mitantana eto. Voaporofo ny tsy fahaizan'ny Malagasy miasa sy mampiasa araka ny tokony ho izy ny vola sy fitaovana eo am-pelatanany. Anisan'ny tena nahazo famatsiam-bola matevina ny an’ny CENI ary tsara fitaovana kanefa tena manala baraka ny firenena. Efa malaza ratsy ny kolikoly any amin’ny tsenam-baro-panjakana, ny eny anivon'ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Izao ny rafitra mikarakara fifidianana mihitsy no hita fa misy olana ary samy niezaka ny nanarontsarona an'io ireo manampahefana saingy iny noborahan'i Thierry Rakotonarivo iny moa ny zava-misy marina. Vokatr’izay, mitombo ny tsy fahatokisan'ireo mpiara-miombon'antoka sy mpamatsy vola an'i Madagasikara. Sarotra ny inoana fa hahita ilay 17 miliara dolara hanatanterahana ny PEM izao fitondrana izao. Ny mampatahotra dia mety ireo mpandraharaha sy mpanam-bola vahiny manana fomba fiasa tsy dia mazava no hibosesika eto hanadio vola maloto sy haka tany. Fantatr'izy ireo mantsy ny fahalemen’ny mpitondra, mila vola ny fanjakana ary tsy mahazo any amin'ny mpamatsy vola mahazatra ka horaviravizany vola be eo, dia ho roboka.
Miha mazava izany izao hoe nahoana no herintaona nitantanana ny firenena i Andry Rajoelina fa toa mihodinkodina am-pitoerana fotsiny fa tsy miasa mandeha haingana araka ny maha TGV azy. Tsy misy ny vola ! Zara aza mahaloa ny karaman'ny mpiasam-panjakana isam-bolana, hatreto aloha. Raha 17 miliara dolara no ilaina hanatanterahana ny IEM. Io moa araka ny tenin-dRamatoa Rinah Rakotomanga tao amina fahitalavitra tsy miankina iray, herinandro lasa izay, ka raha raisina hoe 5 taona ny fotoam-piasan'ny filoha Rajoelina sy ny ekipany, dia midika izany fa mila 3,4 miliara dolara isan-taona. Ny taona 2019 anefa zara raha nanodidina 500 tapitrisa dolara ny vola fanampiana azon'i Madagasikara, ka amin'ity 2020 ity ve izany ny fanjakana dia hahita 3,4 miliara dolara ampiana ny ambiny tsy azo tamin'ny herintaona dia 2,9 miliara dolara izany hoe 6,3 miliara dolara (3,4 +2,9) ? Dia asa re, fa tsy mbola nahazo izany famatsiam-bola izany mihitsy i Madagasikara hatramin'izay naha Madagasikara azy. Hisy fahagagana izany ve eto ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.